Nihatra tamin'ireo izay tsy nahitana ra ny tolam-baravarany fitsaran Andriamanitra ny alin'ny Paska (Eks. 12:1-12). Tsy nisy afa-niala tamin'izany, na inona na inona toerana ambony nisy azy, na fahalalana nananany, na saranga nisy azy, na lahy izy na vavy. Namely ny ankohonana rehetra ny famaizana, hatramin'i Farao ka hatramin'ireo andevo, eny fa na ny voalohan-teraky ny biby aza. Latsaka am-bovoka ny fireharehan'i Egypta.
Vakio ny Eks. 12:31-36. Inona ny fangatahana hafahafa nataon'i Farao, ary nahoana izy no nanome lalana azy rehetra mihitsy aza mba handeha?