Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tontolo be voninahitra kokoa.

Daty
Sabotsy 16 August 2025

"Tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay." — 2 Kôr. 4:18.

Mofon’aina:
Ny tany sy ny zavatra eo aminy dia ho simba arakaraka ny iasany. Handalo ny taona vitsivitsy ary ho avy ny fahafatesana. Hotapahina ny anjaranao mandrakizay, tsy ho azo ovana intsony. Raha very ny fanahinao, ahoana no hanonerana aminao ny fahaverezany? Kristy ilay Mpanome fiainana, ilay Mpanavotra, ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra izay nanaisotra ny fahotan'izao tontolo izao dia mampitodika ny sainao ho amin'ny tontolo iray tsara kokoa. Ataony ao an-tsainao izany. Entiny ho eo am-baravaran'ny lanitra ianao hibanjina ny voninahitry ny mandrakizay, mba hahatonga ny fanirianao handray haingana ny lanjan'ny voninahitra be lavitra sy maharitra mandrakizay. Rehefa mibanjina ny toe-javatry ny lanitra ianao, dia mirehitra ao am-ponao ny faniriana hanana fisakaizana amin'Andriamanitra, ny hihavana tanteraka Aminy.

 (...) Ny fahatahorana sy ny fitiavana an'Andriamanitra no tokony hisintona ny saintsika voalohany indrindra. Tsy azontsika atao ny mangataka andro ny amin'izay mahakasika ny fanahintsika. Tokony hiaina amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra isika amin'izao fiainantsika izao. Fanavotana feno sy tanteraka, izay tsy ho azon'ny fanampiana avy amin' olombelona ampitomboina, no nanavotana antsika tamin'ny fahantran'izao tontolo izao.

Na dia eo aza anefa izany famindrampo be dia be izany, izany fahafenoan'ny fitiavan'Andriamanitra izany, dia tsy mbola miraika ihany ny fon'ny olona maro, tsy mihontsona ary tsy taitra akory manoloana ny hamaroan'ny fahasoavan'Andriamanitra. Moa ve isika mitonona ho Kristianina tsy hanao ezaka hanapaka ny ozona nalefan'i Satana amin'ireny fanahy ireny? Avelantsika handeha amin'ny fahamafisam-pony ve izy ireny, tsy hanana an'Andriamanitra, tsy hanana fanantenana eto amin'izao tontolo izao? Tsia, na dia harabirabina sy lavina aza ny antso rehetra ataontsika, dia tsy azontsika atao ny mitsahatra tsy mivavaka ho azy ireo (...). Tsy maintsy manao izay azontsika atao isika, amin'ny alalan'ny fanampian'ny Fanahy Masin'Andriamanitra, mba hanesorana ny sakana mahatonga azy ireo tsy mandray ny fahazavan'ny fahamarinan'Andriamanitra. Tsy maintsy tadiavintsika izay fomba hanokafana ny masony hahatsapany ny fahajambany, mba hanafahana azy amin'ny famatoran' i Satana. — ST, 17 Jolay 1893. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal