Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aboray ny fahatezaranao

Daty
Alarobia 07 February 2024

Vakio ny Sal. 58:6-8; Sal. 69:22-28; Sal. 83:9-17; Sal. 94:1,2; sy ny Sal. 137:7-9. Inona ny fihetseham-po ampitaina ao amin'ireo Salamo ireo? Iza no voalaza fa mpitsara ao?

Misy Salamo sasany miantso an’Andriamanitra hanao valifaty amin’ny olona sy ny firenena izay mikasa hanisy ratsy na efa nanao ratsy tamin’ny mpanao Salamo na ny iray firenena aminy. Toa somary mahasakodiavatra ihany ireo Salamo ireo noho ny fiteny henjana ampiasainy sy ny toa fifanoherany amin’ny foto-kevitra ara-Baiboly momba ny fitiavana ny fahavalo (Mat. 5:44).

Rariny kosa anefa ny fahatezeran’ny mpanao Salamo eo anatrehan’ny fampahoriana. Midika izany fa mandray am-po kokoa ny amin’ny tsara sy ny ratsy, mihoatra noho ny olona maro hafa, ny mpanao Salamo. Manahiran-tsaina azy ireo tokoa ny ratsy atao eto amin’izao tontolo izao, tsy amin’ny tenany ihany fa amin’ny hafa koa.

Kanefa na aiza na aiza ao amin’ny Salamo dia tsy ahitana ny mpanao Salamo maneho ny tenany ho ilay mpanao valifaty. Apetrany eo an-tanan’Andriamanitra kosa ny famaliana. Ampahatsiahivin’ny Salamo ireo ozona ao amin’ny faneken’Andriamanitra (Deo. 27:9-16) ary mangataka amin’Andriamanitra izy hiditra an-tsehatra araka ny teny fikasan'ilay fanekeny.

Tsy voatery ho vavaka ataon’ilay mpanao Salamo fotsiny ny Salamo, fa manambara faminaniana momba ny fitsaran’Andriamanitra ho avy koa izany. Maneho ny fitsaran’Andriamanitra an'i Babilôna ny Sal. 137, araka ny hita ao amin’ny bokin’ireo mpaminany. Ny fandravana sy ny fandringanana nataon’ireo Babilônianina tamin’ny firenen-kafa dia hanody azy ireo. Mivoy ny fampitandremana ataon’Andriamanitra ny Salamo, manao hoe: tsy ho afa-maina amin’izao mandrakariva tsy akory ny ratsy.

Mifamatra amin’ny fahamarinany sy ny fahasoavany ny famalian'Andriamanitra. Antsoina hivavaka ho an’ireo izay ratsy fitondra azy ny zanak’Andriamanitra, eny, natao haniry ny fiovam-pon’ireo aza izy (Sal. 83:18; Jer. 29:7).

Saingy na miezaka hampifanaraka ireo Salamo ireo amin’ny foto-kevitry ny Baiboly momba ny fitiavana ny fahavalo aza isika, dia tsy maintsy mitandrina mba tsy hanamaivamaivana ireo fanandramam-pahoriana ambara ao. Fantatr'Andriamanitra ny fahoriana manjo ny zanany ary omeny toky izy ireo hoe: “Zava-dehibe eo imason’i Jehovah ny fahafatesan’ny olony masina.” – Sal. 116:15. Mahatonga ny olona tsy hahay hangina manoloana izay rehetra mety ho faharatsiana ny fitsaran’Andriamanitra ka hitady ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny fahafenoany. Manome teny ho eo am-bavan’ireo mijaly koa ny Salamo, ka mampahafantatra azy ireo fa mihevitra ny fahoriany Andriamanitra, ary indray andro any dia ho tonga ny fitsarana araka ny rariny.

Iza no tsy efa nieritreritra na nanam-paniriana hamaly faty ireo izay nanisy ratsy lehibe azy na ny havan-tiany? Ahoana no mety hanampian'ny Salamo anao hanana fomba fijery araka ny tokony ho izy momba izany fihetseham-po izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal