Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ADY TANY AN-DANITRA

Daty
Alahady 31 March 2024

Vakio ny Apôk. 12:7-9. Inona no ambaran'io andininy io ny amin’ny fahafahana misy any an-danitra sy ny fiandohan’ny ratsy? Reheta nikomy i Losifera dia fomba ahoana no azon'Andriamanitra namaliana izany?

Ireo andininy ireo dia manoritsoritra ny ady ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy. Niady tamin’i Kristy i Satana sy ny anjeliny ka noroahina tsy ho any an-danitra nony farany. Toa hafahafa tokoa ny hoe any amin’ny toerana tonga lafatra toy ny lanitra no ipoahan’ny ady. Nahoana no niseho izany? Namorona anjely ratsy izay nanomboka io ady io ve llay Andriamanitra fitiavana? Nanana kilema mahafaty izay nandrisika azy hikomy ve io anjely io? Manazava tsara ny niandohan’ny ratsy ny Baiboly. Manala sarona ny zava-misy ao amin'ilay ady ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy izany.

Ampitahao ny Ezek. 28:12-15 sy ny Isa. 14:12-14. Inona no nitranga tao an-tsain’io anjely nantsoina hoe Losifera io ka nahatonga azy hikomy?

Tsy namorona devoly Andriamanitra. Namorona voary feno famirapiratana manjelanjelatra antsoina hoe Losifera Izy. Tonga lafatra ny namoronana io anjely io. Tao anatin’izany fahatanterahany izany ny fananany fahafaha-misafidy fitsipika fototry ny fitondran'Andriamanitra izay mandeha araka ny fitiavana fa tsy amin’ny fanerena. Tao amin'i Losifera, tany an-danitra, no niandohan’ny ota. Tsy misy fanazavana araka ny lôjika ny amin’ny namelan’io anjely tonga lafatra io ny avonavona sy ny fialonana hamaka tao am-pony ka ho tonga fikomiana amin’ny Mpahary azy.

Nirin’i Losifera ho an’ny tenany, izay voary noforonina, ny fiankohofana izay an’ny Mpamorona irery ihany. Niezaka ny handrombaka ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy tamin'ny fisalasalany ny amin’ny fahefan’ Andriamanitra. Nahatonga ady tany an-danitra ny fikomiany.

Na dia nandefitra ela tamin’i Losifera aza Andriamanitra dia tsy afaka namela azy hanimba ny lanitra amin’ny alalan'ny fikomiana nataony. “Nitalaho tamin’i Losifera ny filan-kevitry ny lanitra. Nasehon’ny Zanak’Andriamanitra azy ny fahalehibeazan’ny Mpamorona, ny fahatsarany, sy ny fahamarinany, ary koa ny fahamasinan’ny laiàny sy ny tsy fiovany. Andriamanitra mihitsy no efa nampitoetra ny filaminan’ny lanitra; ary raha miala amin’izany i Losifera dia hanala baraka ny Mpanao azy sy hahatonga fandringanana ho an’ny tenany Ny fampitandremana nomena tamim-pitiavana sy ny famindrampo tsy hita tany anefa dia mainka nampirongatra toe-tsaina fanoherana.’ – HM, t. 511.

Inona ny lesona azonao tsoahina avy amin’ny toetran'Andriamanltra amin’ny fomba fitondrany ny ratsy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal