Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ampirisihina ny fampiasana ny Salamo ao anaty tonom-bavaka

Daty
Alahady 07 January 2024

Vakio ny Sal. 105:6, Kôl. 3:16, sy ny Jak. 5:13. Aiza ho aiza ny toeran'ny Salamo ao anatin'ny fanandramana ara-pivavahan’ny mpino?

Misy fomba tsotra ahafahantsika mampiditra ny Salamo ho eo amin'ny fiainantsika andavanandro, dia ny fanokanana fotoana isan’andro hamakiana Salamo iray, manomboka amin’ny Salamo voalohany, ary avy eo manaraka ny filaharany ao amin'ny boky. Fomba iray koa ny mamaky ny Salamo mifanaraka amin’ny toe-javatra iainanao ankehitriny, na manao ahoana na manao ahoana fisehon’izany; misy mantsy ny Salamo fitarainana, na isam-batan’olona na iarahana amin’ny besinimaro, ny Salamo fisaorana, ny hira Salamo, ny Salamo fibebahana, ny Salamom-pahendrena (fikatsahana fahendrena sy tari-dalana avy amin’Andriamanitra), ny Salamo ara-tantara, ny Salamo maneho fahatezerana sy haromotana, ary ny Salamo fanao any am-pivahiniana. Hodinihintsika mandritra ity telovolana ity ny ankamaroan’izy ireo, ka ao anatin’ny tontolon-kevitra isehoany no handinihantsika izany.

Ahoana àry no tokony ho fomba famakiantsika ny Salamo?

Vakio aloha ilay salamo, manaova famakafakana tsotra, avy eo mivavaha. Ny fisaintsainana ny Salamo dia mahatonga ny fandinihana ireto lafiny ireto: ny fomba firesak’ilay mpanao salamo amin’Andriamanitra ary ny anton’ny vavaka ataony. Diniho, inona no ifandraisan’ny fanandraman’ilay mpanao Salamo amin’ny toe- javatra iainanao, ary ahoana no mety hanampian’ilay Salamo anao hanambara ny fahatsapanao. Ho gaga ianao fa mifanaraka tsara aminao tokoa ny zavatra vakinao ao ankapobeny.

Raha misy zavatra manelingelina anao ao amin’ilay Salamo dia diniho andrao manitsy ny fanantenana poakaty anananao ankehitriny izany, ohatra, ao anatin’ny toe-javatra atrehinao. Diniho eo ambanin’ny fahazavan’i Kristy sy ny asany mitondra famonjena ary ny fanantenana maharitra atolotrizany ho antsika ny Salamo. Araka ny efa fantatsika, raha tsy izany dia tokony ho fantatsika fa ilaina mandrakariva ny mampifandray izay rehetra dinihintsika ao amin'ny Baiboly amin’i Kristy sy ny hazo fijaliana.

Jereo koa ireo antom-bavaka vaovao omen’ny Salamo, ary saintsaino ny lanjan'izany ho anao, ho an’ny fiangonanao, ary ho an’izao tontolo izao. Angataho Andriamanitra hametraka ny teniny ao am-ponao sy ao an-tsainao. Raha mifandraika amin’ny toe-javatra iainan’ny olona fantatrao ilay Salamo, dia manaova vavaka fanelanelanana ho an’izany olona izany. Ny mahavariana dia mahakasika lafiny maro dia maro eo amin'ny fiainana ny Salamo, ary hampitombo ny fahalalantsika ny famakiana sy ny fandraisana am-po izay ambarany amintsika.

Inona no hevitry ny hoe: “Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo’’ – Kôl. 3:16? Nahoana ny famakiana ny Baiboly no dingana lehibe voalohany tsy maintsy atao ao anatin'izany fanandramana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal