Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Antso ho amin’ny fiandrasana

Daty
Alahady 24 March 2024

Vakio ny Sal. 27:14; Sal. 37:7, 9, 34; Sal. 39:7; Sal. 40:1; Sal. 69:6; Gal, 5:5 ‘ary ny Rém. 8:18-25. Inona no angatahin'ireo andalan-teny ireo ataon'ny vahoakan’Andriamanitra?

Azo heverina fa anankiray amin'ny zavatra mampitaintaina indrindra eo amin’ny fiainana ny fiandrasana. Na iza isika na iza, na aiza na aiza onenantsika, na inona na inona toe- javatra iainantsika eo amin’ny fiainana, dia efa'nisy fotoana tsy maintsy niandrasantsika avatra iray. Manomboka amin'ny fiandrasana eo amin'ny laharana any amin'ny toeram- pivarotana Iray ka hatramin’ny fiandrasana ny tombantomban'ny mpitsabo mikasika ny aretina, dia miandry isika - zavatra izay tsy tiantsika loatra izany, sa tsy izany?

‘Ahoana ary ny amin'ny fiandrasana an'i Jehovah? Tsy ao amin'ny Salamo ihany no iresahana momba ny fiandrasana an'i Jehdvah fa saika manerana ny Baiboly. Ny faharetana, izany no teny manan-danja indrindra ao anatin‘izany rehetra izany. Ny faharetana no fanoloran-tena lehibe hoentintsika manda tsy ho resin'ny tahotry ny fahadisoam-panantenana fandrao tsy hamonjy antsika Andriamanitra. Miandry ny zanak’Andriamanitra manana fileferana, satria fantany ary azony antoka fa mahatoky ‘Andriamanitra. Ary izay miandry Azy dia afaka ny hatoky fa raha apetratsika Aminy ny too- javatra iainantsika dia mahazo antoka isika fa hataony izany mba hahasoa antsika na dia ‘sy hitantsika ho mifanaraka amin’izany aza ny toe-javatra indraindray.

Minoatra noho ny flandrasana tsotra ny fiandrasana an‘i Jehévah. Faniriana fatratra an'Andriamanitra izany, izay ampitahaina amin'ny hetaheta lalina any an-tany efitra (Sal. 63:1). Miandry fitahiana maro avy amin'i Jehovah ny mpanao Salamo, kanefa mihoatra noho ny faniriana sy ny filana rehetra eo amin’ny fiainana ny faniriany hanakaiky an’Andriamanitra.

Araka ny tenin‘i Paoly ao amin’ny andalan-teny mahagaga ao amin’ny Romanina, dia miandry ny fanavaozana ny tany Andriamanitra sy ny voary manontolo ary miandry ny fihaonana mamy eo amin'Andriamanitra sy ny olony amin'ny andro farany. Hoy izy: “Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy manity fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra.” - Rom. 8:19.

Teny fikasana lehibe manao ahoana re izany!

Na dia miandry ny famonjena farany sy ny fihaonana amin'Andriamanitra aza anefa isika, eny fa na dia “miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny’ aza izao rehetra izao (Rom. 8:22), dia mbola mitoetra eo amin’ny olony ‘Andriamanitra ankehitriny, amin'ny alalan'ny Fanahy Masina.

Etsy andanin'izay, dia antsoina isika mba hijoro ho vavolombelon’ny draft-pamonjena (Asa. 1:4-8), izay ho tonga amin'ny fahatanterahany ao amin'ny famoronana vaovao. lo famoronana vaovao io no andrasantsika, ny fahatanterahana faratampon'ny fanantenantsika amin'ny maha-Kristianina Advantista antsika (Advantista, izay anarana misy ny hevitry ny fanantenana andrasantsika). Miandry isika, kanefa fantatsika fa tsy very ‘maina izany fiandrasana izany. Ny fahafatesan'i Kristy sy ny fitsanganany tamin’ny maty tamin’ny fiaviany voalohany no antoka ho antsika ny amin’ny fiaviany fanindroany.

Inona avy ireo zavatra landrasanao an’Andriamanitra amin'izao fotoana iza0? Ahoana no ianarantsika miandry amim-pinoana sy amim-pitokiana, indrindra 'ehefa tsy azontsika ny valim-bavaka nangatahina?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal