Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

AO AMIN'NY MASINA INDRINDRA

Daty
Alatsinainy 20 May 2024

Vakio ny Lev. 16:21, 29-34; Lev. 23:26-32; ary ny Heb. 9:23-28. Nahoana no tena nanan-danja tamin'ny Isiraely fahiny ny Andro Fanavotana?

Manao ny asa fisoronany isan'andro mandritra ny taona ireo mpisorona saingy amin'ny Andro Fanavotana, antsoina hoe Yom Kippour amin'ny teny hebreo, dia mitodika any amin'ny Fitoerana Masina ny mason'ny Isiraelita rehetra. Manome torolalana mazava ho amin'ny Andro Fanavotana ny Lev. 16 sy 23. Mitsahatra ny asa mahazatra rehetra. Mifady hanina ny rehetra. 
Rehefa miditra ao amin'ny fanatrehan'Andriamanitra ao amin'ny efitra masina indrindra ho an'ny olona ny mpisoronabe dia mandinika ny fony izy ireo. Mitady an'Andriamanitra ao amin'ny fanetren-tena sy amin'ny fiaiken-keloka avy amin'ny fo izy ireo.

Na iza na iza tsy "miory" amin'ny Andro Fanavotana dia "nofongorana" tsy ho isan'ny vahoaka voafidy intsony (Lev. 23:27, 29). Amin'ny Andro Fanavotana dia nitondra ny ran'osilahin'i Jehôvah tao amin'ny Fitoerana Masina ny mpisoronabe ary rehefa nafafiny teo amin'ny rakotra fanaovam-panavotana izany dia nataony teo amin'ireo tandroky ny alitara volamena sy ny alitara varahina, hanadio tanteraka ny Fitoerana Masina. Rehefa "tanterany ny fampihavanana" dia nametraka ny tanany teo amin'ny osilahy velona ny mpisoronabe ka niaiky ny heloky ny Isiraely. Avy eo dia nentina tany an'efitra mba hosarahina amin'ny toby mandrakizay ilay osilahy (Lev. 16:20-22)

Nafindra tao amin'ny Fitoerana Masina ny ra mandritra ny asa fanompoana isan'andro, izay maneho ny fandraketana an-tsoratra ny fahotana (Jer. 17:1) sy ny maha-tompon'andraikitra an'Andriamanitra amin'ny fanafoanana izany tanteraka. Tamin'ny Andro Fanavotana, dia nafindra ivelan'ny Fitoerana Masina ny ra ary napetraka teo amin'ny lohan'ny osilahin'i Azazela, izay maneho an'i Satana ary manambara ny maha-tompon'andraikitra faratampony amin'ny olan'ny fahotana azy.

Nentina lavitra tany an'efitra ilay osilahy mba hananan'Andriamanitra Fitoerana Masina madio sy vahoaka madio amin'ny fiafaran'ny Andro Fanavotana. Ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra, i Kristy dia manao ny asany ho antsika, tao amin'ny efitra masina aloha, ary ankehitriny, ao amin'ny efitra masina indrindra nanomboka tamin'ny taona 1844, tamin'ny fiafaran'ny 2300 andro.

Ho afaka amin'izany fitsarana lehibe izany isika noho ny amin'i Jesôsy, ilay Mpisolo antsika. Araka ny nambaran'i Ellen G. White, isika dia mahazo fanamarinana "amin'ny alalan'ny fahamarinany izay tsy nananantsika anjara akory ". — IFM, t. 16.

Noho izany fahamarinana izany —izay nomena antsika— dia mampahory ny fanahintsika isika, izany hoe miala amin'ny fahotana. Midika izany fa tsy manaiky ny ratsy am-pahafinaretana isika na koa manala tsiny ny fahotantsika na mifikitra amin'izany fa mitombo ao amin'ny fahasoavana ary miaina fiainam-pahamasinana.

Inona ny hevitry ny Andro Fanavotana eo amin'ny fiainantsika amin'izao fotoana izao? Nahoana izany no tokony hampisy fiovana eo amin'ny fomba fiainantsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (10)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal