Vakio ny Jos. 1:7-9 miaraka amin'ny Gen. 24:40: Isa. 53:10ary ny Sal. 1:1-3. Raha jerena ireo toko sy andininy ireo, inona no hevitry ny hoe mahazo fanambinana sy mahita fahombiazana?
Ny teny hebreo tsalakh, "hambinina" (Jos. 1:8), dia midika ho fahatanterahan izay nokasaina ka mahafa-po, na koa toe-javatra iray izay mahasoa.
Ambaran'i Jehôvah amin'i Josoa ao amin'ny Jos. 1:2,3 fa omeny azy ireo ny tany. Etsy ankilany anefa, dia nolazainy fa efa nomeny azy ireo izany. Inona no hevitr’izany?
Vakio ny Jos. 1. Inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'ny firafitry ny bokin'i Josoa manomboka eo amin'ny toko voalahany indrindra?
Ny toko voalohany ao amin'ny bokin'i Josoa no fampidirana ho an’ilay boky iray manontolo. Ahitana lahateny efatra izany, izay mifandraika amin’ireo fizarana lehibe efatra ao amin'io boky io ny fitana ny ony (Jos 1. 2-9), ny fakana ny tany (Jos 1: 10.11): ny fizarana ny tany (Jos. 1:12-15) ary ny fanompoana amin'ny fankatoavana ny lalàna (Jos 1.16-18).
Na dia efa maty aza Mosesy, ary i Josoa no mpitarika vaovao notendren’Andriamanitra, dia misy teboka maromaro itovian'izy ireo. Samy nilazan’ Andriamanitra ireo lehilahy roa ireo fa hitarika ny vahoakany ho any amin'ilay tany nampanantenaina ny razany. Hoy i Jehôvah tamin'i Josoa: "Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin'i Mosesy." Jos. 1:3. I Josoa no hamita ny asa izay nampanaovina an'i Mosesy tany am-boalohany; tena Mosesy vaovao tokoa izy.
"Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan'ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian'ny mazava." – Rôm. 13:12.
Mofon’aina: Rehefa avy niezaka fatratra nitory ny fahamarinana tamin' ireo izay nanankinan'Andriamanitra andraikitra lehibe ianao, dia aza kivy raha toa ka mandà izany izy ireo. Nolavina koa ny fahamarinana tamin'ny andron'i Kristy. Aoka ho azonao antoka fa voahazona ny fahamendrehan'ny asa amin'ny alalan'ny fametrahana drafitra mirindra sy ny fifampiresahana masina.