Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

AO AN-DAPAN'NY HAFA FIRENENA

Daty
Alatsinainy 25 December 2023

Taorian'ny firodanan'ny fanjakan'i Babilôna sy ny fisandratan'ny fanjakan'i Media sy Persia dia Jiosy maro no niverina tany amin'ny tanindrazany. Tsy ny rehetra. anefa no niverina. Nijanona teo amin'izay nonenany hatramin'ny taranaka teo alohany na mihoatra aza, ny sasany tamin'izy ireo.

Eo am-pisaintsainana izany toerana misy azy ireo izany dia hitantsika nyampahany amin'ny tontolon-kevitry ny tantaran'i Estera. "Tamin'izany andro izany, raha nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra, Ahasoerosy mpanjaka" - Est. 1:2. Eto no toerana nitrangan'io tantara ara- Baiboly io, ny fanjakana persianina izay teo ambany fanapahan'io mpanjaka io.

Ao amin'ny toko voalohany dia tsy nahita sitraka teo imason'ny mpanjaka intsony ny mpanjakavavy Vasty, ka nahatonga ny mpanjaka hitady mpanjakavavy hafa hisolo azy. Tao anatin'izany tontolon-kevitra izany no nahitana voalohany indrindra an'i Estera sy i Mordekay dadatoany.

Vakio ny Est. 2:1-9. Inona no amplanarin'ireo andininy ireo antsika momba ny toe-javatra natrehin'i Môrdekay sy I Estera?

Voalaza fa nipetraka teo am- bavahadin'ny lapa i Môrdekay, amin'ny maha-tandapa azy, ary nonina tao amin'ny tanànan'i Sosana niaraka tamin'i Estera zanaka vavy natsangany, na zanaky ny mpiray tampo amin'ny ray aman-dreniny raha ny marimarina kokoa. Noho ny toerana notanan'izy ireo sy ny faritra nonenany dia tafiditra tao anatin'ny kolontsaina persianina izy ireo. Azo antoka fa anisan'ny antony nahatonga an'i Estera ho voafidy haseho amin'ny mpanjaka izany: "mba nentina ho ao an-tranon'ny mpanjaka koa Estera ho amin'ny fehin'i Hegay, mpifehy ny vehivavy" - Est. 2:8.

Vakio ny Est. 2:10, 20. Inona no mitranga eto, ary nahoana i Môrdekay no nanome azy baiko toy izany?

Na dia tsy nilaza mazava ny antony aza ny andalan-tenin'ny Baiboly dia tsy sarotra ny haminavina izany. Amin'ny maha vahiny azy tany amin'ny kolontsaina sy ny fivavahan'ny hafa izay mety hampidi- doza, araka izay ho hitantsika, dia naneho fahendrena izy ireo tamin'ny fanginany momba ny fianakaviany sy ny vahoakany.

Toe-javatra manao ahoana no mety hieritreretanao fa malina kokoa ny tsy firesahana mivantana momba ny finoantsika? Sa tsy tokony hanao izany mihitsy Isika? Ary raha izany, nahoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal