Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Dera ho an'ilay Andriamanitra avo sy mpamindra fo

Daty
Alarobia 14 February 2024

Vakio ny Sal. 113 sy 123. Inona ireo lafiny roa samy hafa amin'ny toetran'Andriamanitra voalaza ao amin'ireo Salamo ireo?

Samy midera ny fahalehibeazan'Andriamanitra sy ny famindram-pony ny Sal. 113 sy 123. Miseho eo amin'ny fahalehibeazan'ny Anarany ny fiandrianan'Andriamanitra ary koa eo amin'ny toerana avo misy ny seza fiandrianany izay ambonin'ny firenena rehetra sy ambonin'ny lanitra (Sal.113:4; Sal. 123:1). "Iza no tahaka an'i Jehovah Andriamanitsika" - Sal. 113:5, fanambarana ny finoana izany fa tsy misy fahefana na eto amin'izao tontolo izao na any ivelany afaka mihaika an'Andriamanitry ny Isiraely.

Ny haavon'ny fitoeran'Andriamanitra izay tsy mety tratrantsika dia asehon'ny faneken'ny Tompo "hanetry tena" na koa "miondrika mijery ny any an-danitra sy ny ety an-tany" (jereo ny Sal. 113:6). Tsy manakana an'Andriamanitra tsy hahita izay miseho ety ambany ny fitoerany any amin'ny avo. Ny famindram-pony dia miseho eo amin'ny fahavononany hifandray amin'izao tontolo izao (noho ny fahasoavany) sy hamonjy ireo mahantra sy mila fanampiana ho afaka amin'ny fahorian'izy ireo. Mazava loatra fa tsy miafina amin'ny mpanompony ny tanany feno fahalalahan- tanana, na dia any lavitra any an-danitra aza ny fonenany.

Manjary hita maso eo amin'ny asa ataony sy ny fiantrany ny fahalehibeazan' Andriamanitra sy ny fiahiany, izay tsy mety ho takatry ny saintsika amin'ny fahafenoany noho ny fahamboaniany mahagaga. Azon'ireo mila fanampiana sy mahantra ary mijaly atao ny miaina mivantana ny fanandraman'ny hery lehiben'Andriamanitra eo amin'ny fiovan'ny toe-javatra izay miharihary ataon'Andriamanitra ho azy. Maneho ny fahalehibeazany ilay Andriamanitra avo amin'ny fampiasana ny heriny hanandratana ireo ory. Manana fahalalahana hanatona an'Andriamanitra ny olona satria ny fiandrianany sy ny fahamboniany dia tsy manova ny maha-Mpamorona be fahasoavana sy Mpiahy Azy, ka ny olona dia mpanompony no sady zanany malala.

Araka izany, tsy ny fahalehibeazan'Andriamanitra irery ihany no mandrisika antsika hiankohoka Aminy fa ny fahatsarany koa. Tsy voafetran'ny fotoana sy ny erana ny fiderana (Sal. 113:2,3). Ao amin'i Jesôsy Kristy no isehoan'ny fahalehibeazan'Andriamanitra sy ny famindram-pony amin'ny fomba tsara indrindra, Izy ilay nanaiky hiondrika avy any an-danitra ary hidina any amin'ny farany ambany indrindra tamin'ny fahafatesana teo amin'ny hazo fijaliana mba hanandratana ny taranak'olombelona lavo (Fil. 2:6-8). Eo amin'ny hazo fijaliana no ahitantsika ny antony lehibe indrindra tokony hiankohofana amin'Andriamanitra sy hiderana Azy noho izay efa nataony ho antsika.

Saintsaino ny amin'ny hazo fijaliana sy izay niseho teo noho ny aminao manokana. Navotan'i Jesôsy tamin'ny inona ianao? Nahoana no zava- dehibe tokoa ny hihazona ny hazo fijaliana ho laharam-pahamehana ao amin'ny fisainanao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal