Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FAHAGAGANA MANODIDINA NY FARIHY

Daty
Sabotsy 27 July 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar.4:35-41;Sal.104:1-9; Mar. 5:1-43: Nom. 27:17.

Tsianjery: « Nefa tsy navelan’i Jesôsy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin’ny havanao; ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao. »  – Mar. 5:19.

Tao Galilia no tena nanaovan’i Jesôsy ny asany, indrindra teo amin’ny Ranomasin’i Galilia sy ny manodidina azy. Ilay antsoina hoe ranomasin’i Galilia dia farihy iray lehibe mirefy 21 km ny lavany ary 13 km ny sakany. lo no rano midadasika  teo amin’izany faritra izany ary ivon’ny antom-piveloman’ny olona manodidina.

I Jesôsy sy ny mpianany niampita ny Ranomasin’i Galilia no mamarana ny Mar. 4. Nisy tafio-drivotra mahery tamin’izay, ary i Jesôsy no nampitsahatra izany tamin’ny nitenenany tamin’ny rivotra sy ny onja. Mifarana amin’ny toe-javatra mitovy amin'izany koa ny Mar. 6, saingy tamin’ity indray mandeha ity dia nandeha teo ambonin’ny rano i Jesôsy, nanatona ny mpianany tao an-tsambokely. Teo anelanelan’ireo tranga roa ireodia marobe ny fahagagana nataon’i Jesôsy teny an-tanety, ary teo no nanombohan'ny mpianatra ny asa misiônerany. Ireo tantara ireo no lohahevitra hodinihintsika amin’ity herinandro ity.

Ny tena mampiavaka ireo tantara ireo dia izy mamela ny mpamaky hahita hoe iza moa i Jesôsy. Izy Ilay mahay mampitsahatra ny tafiotra, manasitrana ny demoniaka, manasitrana vehivavy izay nikasika fotsiny ny akanjony, manangana zazavavy amin’ny maty, mitory ao amin ny tany niaviany, maniraka ny mpianany hitory ny filazantsara, mamahana olona 5000 amin’ny mofo sy hazandrano vitsy monja, ary Ilay mandeha ambonin’ny rano. Fanehoana mahagaga ny heriny ireo, izay nahatonga ny mpianany hahatakatra mazava kokoa fa Izy no Zanak’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal