Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FAHENDRENA HOENTI-MIAINA AMIM-PAHAMARINANA

Daty
Sabotsy 17 February 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Sal. 119:1-16; Sal. 90; Jao. 3:16; Sal. 95:7-11; Sal. 141; Sal. 128.

Tsianjery: "Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry."- teod libin Sal. 90:12.

Araka ny efa hitantsika dia manome famelan-keloka ny fahasoavan' Andriamanitra ary mamorona fo vaovao ao anatin'ilay mpanota mibebaka, izay miaina amim-pinoana izany.

Manome toromarika mba hananana fiainam-pahamarinana koa ny Tenin'Andriamanitra (Sal. 119:9-16). Tsy fitadiavam-pamonjena amin'ny asan'ny lalàna velively ny fitandremana ny lalàn'Andriamanitra fa fiainana mifandray ety amin'Andriamanitra, fiainana feno fitahiana (Sal. 119:1,2; Sal. 128).

Kanefa tsy ilaozan'ny fakam-panahy ny fiainan'ny olo-marina. Indraindray aza mety ho lavo amin'ny fakam-panahy izy ireo, izay mamandrika azy amin- kafetsena hanota (Sal. 141:2-4). Avelan'Andriamanitra hisy ny fitsapana mba hizahan-toetra ny fahatokian'ny zanany (na tsia). Raha mitandrina ny toromarika sy ny anatr'Andriamanitra ny zanany dia ho voadio ny finoany ary hohamafisina ny fitokiany amin'ny Tompo. Ny fanandramana miaraka amin'Andriamanitra eo anivon'ny fakam-panahy sy ny zava-tsarotry ny fiainana no hahazoana fahendrena hoenti-miaina amim-pahamarinana. Araka izany dia maneho fanoloran-tena mitohy mba handeha amim-pahatokiana amin'ny Tompo ilay vavaka ao amin'ny Sal. 90:12 hoe: "Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry."

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal