Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fampidirana

Daty
Sabotsy 06 January 2024

Eo anivon’ny Kristianina sasany dia toa manjaka ny finoana fa ny vavaka tora-po sy tsy nianarana ihany no tena atao hoe vavaka. Nomena valiny mahafa-po indrindra anefa ny mpianatr’i Jesôsy rehefa nangataka Taminy mba hampianariny mivavaka. Nametraka bokim-bavaka ao afovoan’ny Baiboly Andriamanitra, dia ny Salamo, tsy ny hampisehoana amintsika fotsiny ny fomba fivavak’ireo vahoakan’Andriamanitra tamin’ny andro fahiny, fa mba hampianarana antsika koa ny fomba fivavaka mety ankehitriny.

Hatrany am-piandohan’ny tantara no efa namolavola ny fivavaky ny vahoakan’Andriamanitra ny Salamo, anisan’izany ny vavak’i Jesôsy (1 Tant. 16:7,9; Neh. 12:8; Mat. 27:46; Efes.5:19). Hodinihintsika amin’ity herinandro ity ny anjara notanan’ny Salamo teo amin’ny fanampiana ny vahoakan’Andriamanitra namakivaky ny lalam-piainany sy mba hitombo amin’ny fifandraisany amin'Andriamanitra. Tokony hotsaroantsika fa ny Salamo dia vavaka, ary araka izany dia tsy hay tombanana ny lanjany, tsy noho ny fanazavana ara-teôlôjia entiny fotsiny fa noho ny fanatsarana sy fanovana entiny koa eo amin’ny vavaka ataontsika isam-batan’olona sy miaraka amin’ny besinimaro.

Nanampy mpino maro hanana fiainam-bavaka mafy orina sy mitohy ary feno fahafaham-po ny fanaovan’izy ireo ny Salamo ho tonom-bavaka.

Hitohy ny fandinihantsika ny Salamo mandritra ity herinandro ity, indrindra ao anatin’ny tontolon-kevitry ny fotoana izay maha-tojo zava-manahirana antsika.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal