Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 09 August 2024

Vakio ny "Lovan-tsofina" (Toko 42), "Fefy narodana" (Toko 43) ary "Ny tena famantarana" (Toko 44) ao amin'ny IFM.

"Eo anivon'ny mpanaraka ny Tompontsika ankehitriny, tahaka ny fahiny, dia manao ahoana ny fiparitak'io fahotana saro-pantarina sy mamitaka io. Impiry ny fanompoantsika an'i Kristy, ny fifandraisantsika samy isika no voaloton'ny faniriana miafina hanandratra ny 'izaho', sy ny faniriantsika mafy hoderain'ny olombelona. Ny fitiavana ny Izaho, ny faniriana fomba mora kokoa noho izay notendren'Andriamanitra no mitarika ho amin'ny fanoloana ny fitsipik'Andriamanitra, ho amin'ny hevitra noforonin'ny olombelona sy ny Iovan-tsofina. Nataon'i Kristy ho an'ny mpianany ny teny fampitandremana hoe: Mihevera, ka mitandrema hianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo.'

Fahadiovam-po ny fivavahan'i Kristy. Ny firehetam-po ho an'ny voninahitr'Andriamanitra no anton-javatra novolen'ny Fanahy Masina; ary ny tena asan'ny Fanahy ihany no afaka hamboly io anton-javatra manosika io. Ny herin'Andriamanitra ihany no afaka mandroaka ny fitadiavana ny tombon-tsoan'ny Izaho' sy ny fihatsarambelatsihy. lo fiovana io no mariky ny asany. Rehefa mamono ny fitiavan-tena sy ny fizahozahoana ny finoana, rehefa mitarika antsika ny voninahitr'Andriamanitra fa tsy ny an'ny tenantsika, dia fantatsika fa ara-dalàna ny zavatra rehetra. 'Ray Ô, mankalazà ny anaranao, izany no feo hirindran'ny fiainan'i Kristy, ary raha manaraka Azy isika, dia izany koa no feo hirindran'ny fiainantsika. Mibaiko antsika Izy `handeha toy izay nandehanany koa'; ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny.' - 1 Jao. 2:6,3." - IFM, tt. 437-438. 

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra:

1. Inona ny fomba fanao kristianiria hitanao fa manampy amin'ny fiarovana ny fo hadio?
2. Iza ireo olona "maloto" ao amin'ny fiarahamonina misy anao? Inona no azonao atao mba hanintonana azy ireo hankeo amin'ny filazantsara?
3. Eritrereto ao amin'ny kilasinareo ny zavatra azonareo atao mba hampiroboroboana ny fizarana ny filazantsara amin'ny mpiray vodirindrina aminareo amin'ny fomba tsotra.
4. Vakio ny Mar. 8:1-10, ny namahanana ireo vahoaka tokony ho 4000. Manova zavatra eo amin'ny fandraisana ny hevitr'ireo andalan-teny ireo ve ny maha-jentilisa ireo vahoaka ireo? Nahoana izany no tsy tokony hanova zavatra? 
5. Ahoana no hiarovantsika tena amin'ny faniriana hanandra-tena ao anatintsika izay toa mandeha ho azy noho ny maha-voary lavo antsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal