Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 29 December 2023

 

"Ny hamerina indray ny fankasitrahan Andriamanitra amin'ity tanintsika ity no namolavolana ny planan'ny fanavotana. Hohavaozina indray izay rehetra efa simban'ny fahotana. Havotana miaraka ny olona sy ity tanintsika ity izay ho tonga fonenan 'ireo olom- boafidin Andriamanitra mandrakizay Sasa poana niady nandritra ny enina arivo taona mba hitanana ny fananana azy i Satana. Ho tratra izao ny zava-kendren Andriamanitra tamin'ny namoronany ary Nefa ny olo-masin'ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo." PM, t. 345.

Mandra-pahatanterak izany anefa dia adidintsika ny miara-miasa amin'Andriamanitra amin'ny iraka nampanaoviny ho fanatrarana izao tontolo izao amin'ny hafa-pampitandremana mba haneken'ny olona izany sy hahatonga azy ireo hanana anjara amin'ny teny fikasan Andriamanitra momba ny famoronana indray.

"Maniry mafy ny hahita mpiasa maro hiasa ho an'izay tsy mahita ireo porofon'ny finoantsika aho. Betsaka no nandray fahazavana lehibe tamin'ny fihainoana ny hafatry ny anjely telo ary ankehitriny dia tokony hanambara ireo hafatra ireo amin'ny firenena rehetra izy ireo. Maniry ny hanao ny anjarako aho sy hanokatra lalana hitondran'ny hafa ny fahazavan'ny fahamarinana. Hanampy antsika hitafy ny fiadiana anie Andriamanitra. Tokony hiray hina amin'ny asa lehibe hanomezana fampitandremana farany an'izao tontolo izao ny mpino."-L 390, 1907 (tsy mbola navoaka).

Nianatra ireo lafiny samihafa amin'ny iraka nampanaovin' Andriamanitra sy ireo toe-javatra mifamatotra amin'izany isika nandritra ity telovolana ity. Tamin'ity herinandro ity isika dia namarana ny fianarana tamin'ny fandalinana ireo hevi-dehibe ao amin'ny Apokalipsy mba hahatakarana hoe toy ny ahoana ny endriky ny fifandraisana amin' Andriamanitra izay tafaverina amin'ny laoniny. Ny endriky ny iraka tontosa no fara-tampon'izany, dia ny famoronana indray sy ny famerenena ny tany amin'ny laoniny. Marina tokoa fa ny famongorana ny ota sy ny fahoriana no andro mampivarahontsana indrindra amin'ny tantaran'ny tany, kanefa Andriamanitra dia mampitodika ny fijerintsika amin'ny fotoana ao ambadik izany fandringanana izany ary mitondra fampiononana sy fankaherezana ho antsika ao amin'ny teny fikasana momba ny hamerenana ny tany amin'ny laoniny indray.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

  1. Inona no atao hoe "filazantsara mandrakizay"? Nahoana izany no- "mandrakizay"? Ary nahoana ny lesona avy amin'izany no tokony ho fototry ny iraka ampanaovina antsika?
  2. Nahoana isika no manome lanja toy izany ny hafatry ny anjely telo? Inona no avalinao ny hevitra izay milaza fa tokony hifantoka amin'i Jesôsy isika fa tsy amin-javatra heverina ho "miiba" tahaka ireo hafatra ireo, izay ahitana fampitandremana mafy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal