Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 16 February 2024

Vakio "Ny ilan'ny mpanota an'i Kristy", toko faha-2 ao amin'ny DHK.

Miray feo mamerimberina ny hoe "Famandrakizay ny famindram-pony" ny olona ao amin'ny Salamo ho fankalazana ny fitiavan'Andriamanitra mandrakizay (Sal. 106:1; Sal. 107:1; Sal. 118:1-4, 29; Sal. 136). "Ny tsy fiderana an'Andriamanitra dia midika ho fanadinoana ireo fitahiany rehetra, ary koa tsy fankasitrahana ny fanomezana natolony. Ireo izay midera ihany no tsy manadino. Tsy mbola fiderana an'Andriamanitra ny fisaintsainana sy firesahana momba Azy. Ny fiderana mantsy dia miantomboka amin'ny fiaikena ny fiandrianan'Andriamanitra sy ny asany, ary amin'ny famaliana izany amin'ny fiderana ny fahatsarany sy ny famindram-pony ary ny fahendreny."- Hans LaRondelle, Deliverance in the Psalms, t. 178.

Vao mainka mihalalina ny hevitry ny fanambarana miezinezina momba ny famindram-pon'Andriamanitra mandrakizay rehefa tsaroantsika fa ny khesed avy amin'Andriamanitra, izany hoe ny famindram-pony araka ny fanekeny sy ny fahatokiany, dia mitoetra ary tsy miova na dia eo aza ny fahotan'ny olombelona sy ny fikomian'izy ireo.

"Nanota taminy isika, ka tsy mendrika ny fankasitrahany; nefa Izy mihitsy no nametraka tao amin'ny molotsika ity fangatahana mampihetsi-po indrindra ity: 'Noho ny amin'ny anaranao dia aza arianao izahay; aza atao tsinontsinona ny seza fiandrianan'ny voninahitrao; tsarovy ka aza tsoahina ny fanekenao taminay' - Jer. 14:21. Rehefa manatona Azy isika miaiky ny tsy fahamendrehantsika sy ny fahotantsika, dia mihaino ny fitarainantsika Izy. Nanao antoka ny voninahitry ny seza fiandrianany ho fanatanterahana ny teniny tamintsika Izy."- HF, tt. 120, 121, ed. 1984.

Ny fanandramana momba ny fanehoan'Andriamanitra ny fahasoavany taminy no nandrisika ilay mpanao Salamo hilaza fa "Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin'izay rehetra ampahorina."- Sal. 103:6. Araka izany, ny tanjon'ny fijoroana ho vavolombelon'ilay mpanao Salamo sy ny fiderany ny famindram-pon'Andriamanitra eo amin'ny fiainany dia ny hanome toky ny hafa fa mamindra fo Andriamanitra ka azon'izy ireo atao koa ny manokatra ny fony ho Azy sy handray ny fahasoavany mahavonjy ary hidera Azy (Sal. 9:11,12; Sal. 22:22-27; Sal. 66:16).

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra

  1. Mandrakizay ny famindram-pon'Andriamanitra. Inona no hevitr'izany ho an'ny famonjena ny olona? Nahoana izany no tsy midika fa afaka manohy manota ny olona iray satria mandrakizay ny famindram- pon'Andriamanitra?
  2. Ahoana no hampifandraisantsika ny famelan' Andriamanitra ny helotsika sy ny fitsaran'Andriamanitra ny fahotantsika?
  3. Mifandraika ny filazana momba ny famindram-pon' Andriamanitra ao amin'ny TV sy ny an'ny Salamo. Amin'ny fomba ahoana? (Efes. 2:4,5; 1 Tim. 1:16; Tit. 3:5; Heb. 4:16).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal