Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 05 April 2024

Tamin’ny nandroahana an’i Satana avy tany an-danitra. dia naneho ny fahamarinany Andriamanitra ary nihazona ny voninahitry ny seza fiandrianany. Fa rehefa nanota kosa ny olona tamin’ny fanekeny ny fitak’io fanahy nivadika io, dia naneho porofo mibaribary ny fitiavany Izy tamin’ny fanolorany ny Zanani-lahy tokana ho faty ho an’ilay taranaka lavo. Eo amin’ny fanavotana no anambarana ny toetra amam-panahin’Andriamanitra. Asehon'ny fonjan-kevitra mahery vaika avy amin’ny hazo fijaliana ho hitan’ny tontolo rehetra fa tsy azo iampangana na oviana na oviana ny fitondram-panjakan’Andriamanitra ny lalam-pahotana nofidin’i Losifera’ – HM, t. 518.

«Manambara ny tsy fiovan’ny lalàna ny hazo fijalian’i Kalvary sady mitory amin'izao rehetra izao fa fahafatesana no tambin'ny ota, Teo amin’ny antso nataon’ny Mpamonjy teo am-pialan’aina hoe ‘Vita’, no nanenoan'ny lakolosim-paty ho an’i Satana. Tapaka tamin’izay ny amin'ilay ady lehibe izay efa ela loatra no naharetany, ary azo antoka ny fanafoanana hatramin'ny fakany ny ratsy, niditra ny varavaram-pasana ny Zanak’Andriamanitra mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly» – HM, t. 519

FANONTANIANA HIFANAKALOZANKEVITRA:

1. Raha fantatr'Andriamanitra fa hikomy i Losifera, nahoana no nomeny fahafaha-misafidy izy? Na koa, rehefa nikomy i Losifera, nahoana Andriamanitra no tsy nandrlngana azy avy hatrany? Ahoana no mety ho fihetsik'izao tontolo ary rehetra izao tsy lavo raha naringan'Andriamanitra avy hatrany i Losifera? Nahoana no zava-dehibe tokoa hahatakaran'izao tontolo àry rehetra Izao ny amin'ilay fifanandrinana lehibe ao amin’ny drafi-pamonjena (1 Pet. 1:12; Apôk. 5:13; Apôk. 16:7)?

2. Inona ny antony (izay na maro) azonao eritreretina ny amin’ny nahafatesan'i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana? Ny haneho ny toetran'Andriamanitra ihany ve izany? Ny handoa ny onitry ny fahotana ve? Raha izany no izy, naloa tamin’iza ilay onitra? Zarao ny hevitrao ary manomeza fanazavana ara-Baiboly.

3. Inona no tiantsika holazaina rehefa mampiasa ny teny hoe “fifanandrinana lehibe"? Ifanakalozy hevitra ireo lafiny samihafa momba ny fifanandrinana lehibe ary ahoana no hampiharana ny lesona tamin’ity herinandro ity eo amin’ny fiainanao manokana?

4. Inona avy ireo andinin- tSoratra Masina miresaka momba ny maha-zava-misy ny fifanandrinana lehibe? (Jereo ohatra ny Jôba 1, 2: Efes. 6:12.)

5. Ahoana no mahatonga ny fahakaran’ny Advantista mitandrina ny andro fahafito tsy hitovy amin’ny an'ireo antokom-pivavahana kristianina hafa? Inona no mampiavaka ny Advantista amin'io Iohahevitry ny fifanandrinana lehibe io?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal