Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 05 April 2024

Tamin’ny nandroahana an’i Satana avy tany an-danitra. dia naneho ny fahamarinany Andriamanitra ary nihazona ny voninahitry ny seza fiandrianany. Fa rehefa nanota kosa ny olona tamin’ny fanekeny ny fitak’io fanahy nivadika io, dia naneho porofo mibaribary ny fitiavany Izy tamin’ny fanolorany ny Zanani-lahy tokana ho faty ho an’ilay taranaka lavo. Eo amin’ny fanavotana no anambarana ny toetra amam-panahin’Andriamanitra. Asehon'ny fonjan-kevitra mahery vaika avy amin’ny hazo fijaliana ho hitan’ny tontolo rehetra fa tsy azo iampangana na oviana na oviana ny fitondram-panjakan’Andriamanitra ny lalam-pahotana nofidin’i Losifera’ – HM, t. 518.

«Manambara ny tsy fiovan’ny lalàna ny hazo fijalian’i Kalvary sady mitory amin'izao rehetra izao fa fahafatesana no tambin'ny ota, Teo amin’ny antso nataon’ny Mpamonjy teo am-pialan’aina hoe ‘Vita’, no nanenoan'ny lakolosim-paty ho an’i Satana. Tapaka tamin’izay ny amin'ilay ady lehibe izay efa ela loatra no naharetany, ary azo antoka ny fanafoanana hatramin'ny fakany ny ratsy, niditra ny varavaram-pasana ny Zanak’Andriamanitra mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly» – HM, t. 519

FANONTANIANA HIFANAKALOZANKEVITRA:

1. Raha fantatr'Andriamanitra fa hikomy i Losifera, nahoana no nomeny fahafaha-misafidy izy? Na koa, rehefa nikomy i Losifera, nahoana Andriamanitra no tsy nandrlngana azy avy hatrany? Ahoana no mety ho fihetsik'izao tontolo ary rehetra izao tsy lavo raha naringan'Andriamanitra avy hatrany i Losifera? Nahoana no zava-dehibe tokoa hahatakaran'izao tontolo àry rehetra Izao ny amin'ilay fifanandrinana lehibe ao amin’ny drafi-pamonjena (1 Pet. 1:12; Apôk. 5:13; Apôk. 16:7)?

2. Inona ny antony (izay na maro) azonao eritreretina ny amin’ny nahafatesan'i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana? Ny haneho ny toetran'Andriamanitra ihany ve izany? Ny handoa ny onitry ny fahotana ve? Raha izany no izy, naloa tamin’iza ilay onitra? Zarao ny hevitrao ary manomeza fanazavana ara-Baiboly.

3. Inona no tiantsika holazaina rehefa mampiasa ny teny hoe “fifanandrinana lehibe"? Ifanakalozy hevitra ireo lafiny samihafa momba ny fifanandrinana lehibe ary ahoana no hampiharana ny lesona tamin’ity herinandro ity eo amin’ny fiainanao manokana?

4. Inona avy ireo andinin- tSoratra Masina miresaka momba ny maha-zava-misy ny fifanandrinana lehibe? (Jereo ohatra ny Jôba 1, 2: Efes. 6:12.)

5. Ahoana no mahatonga ny fahakaran’ny Advantista mitandrina ny andro fahafito tsy hitovy amin’ny an'ireo antokom-pivavahana kristianina hafa? Inona no mampiavaka ny Advantista amin'io Iohahevitry ny fifanandrinana lehibe io?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (13)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal