Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY :

Daty
Zoma 12 April 2024

"Tsy nisy vokany ny fiezahan'i Satana handrava ny fiangonan’i Kristy tamin'ny heriny. Tsy nitsahatra ny ady lehibe izay namoizan'ny mpianatr'i Jesôsy ny ainy rehefa lavo teo am-panatontosana ny adidiny ireo mpitondra faneva mahatoky. Nandresy teo amin'ny fahareseny izy. Maty ireo mpiasan’Andriamanitra, fa ny asany kosa nandroso hatrany. Niely hatrany ny filazantsara, ary nitombo ny isan'ireo mpanaraka izany. Tafiditra tao amin'ny toerana tsy azo nidirana izany, eny, na dia ny voromaherin'i Roma aza tsy tafiditra tany. Hoy ny kristiana iray, raha nanazava tamin'ny mpifehy jentilisa izay nampandroso ny fanenjehana: Azonareo atao ny mamono anay, ny mampijaly anay, ny manameloka anay. Ny tsy an-drariny ataonareo no porofo manambara fa tsy manan-tsiny izahay ary tsy manampy anareo ny fahasiahanareo. Vao mainka nitarika ny hafa bebe kokoa ho resy lahatra izany. Arakaraka ny hanaovanareo jinja fary anay, arakaraka izany no mampitombo isa anay; voa afafy ny ran'ny kristiana." – HM, t. 41 

"Ny fitondranAndriamanitra mahagaga izay mamela ny marina hiaritra fanenjehana ataon'ny ratsy fanahy dia nahavery hevitra olona maro malemy finoana. Misy aza vonona ny hanary ny fitokiany amin'Andriamanitra satria tsy ekeny ny hanambinana ny olona ratsy indrindra, nefa tra-pahoriana sy mijaly kosa ny olona tsara indrindra sy madio indrindra noho ny halozana sy ny herin'ireo ratsy ireo. Ahoana, hoy ny fanontaniana, no aneken'llay marina sy mamindra fo sady manan-kery tsy voafetra, tsy fahamarinana sy fampijaliana toy izany? Fanontaniana tsy tokony hanahiran-tsaina antsika mihitsy izany. Nanome antsika porofo mazava sy ampy momba ny fitiavany Andriamanitra. Ary tsy tokony hisalasala ny amin'ny fahatsarany isika, satria tsy fantatsika ny lalana itondrany antsika". – HM, t. 47, np. 

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra :
1. Inona ny tombambidin'ny fanenjehana? Araka ny hevitrao, nahoana Andriamanitra no mamela ny olony hijaly indraindray?
2 Inona no havalinao raha manontany anao ny namana iray manao hoe: "Aiza Andriamanitra amin'izao fahoriako izao? Raha tia ahy lzy, nahoana no mandalo fotoan-tsarotra toy izao aho?"
3. Ahoana no hahatonga ny fiangonana misy anao ho fiarahamonina miahy ny hafa ka hisy fiantraikany eto amin'izao tontolo izao? Mifanakaloza hevitra ny amin'ny fomba tsotra azo ampiharana ny lesontsika tamin'ity herinandro ity. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (13)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal