Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 10 May 2024

"Rehefa noraran’ny fahefana ara-pivavahana sy ara-panjakana ny Baiboly; rehefa nolotoina ny fanambarany, ka natao ny ezaka rehetra izay azon'ny olona sy ny demonia noforonina mba hampiodina ny vahoaka tsy ho amin’izany; rehefa natao hazalambo ireo sahy nitory ny fahamarinany masina, navadika, nampijaliana, nalevim-belona tao amin'ny efitra etin'ny fonja, natao maritiora noho ny finoany, na voatery handositra tany amin'ny lava-bato sy ny zohy— dia tamin'izay fotoana izay no naminany sady nitafy lamba fisaonana ireo vavolombelona mahatoky. Nefa tsy nitsahatra ny fanambarany nandritra ny fe-potoana 1260 taona. Tamin'ny fotoana maizina indrindra, dia nisy olona nahatoky izay tia an'Andriamanitra sy saro-piaro tamin'ny voninahiny. Ireo mpanompo mahatoky ireo dia nomena fahendrena, hery sy fahefana hanambara ny fahamarinana nandritra izany fotoana manontolo izany." HM, t. 277.

 "Rehefa nanda an'Andriamanitra ampahibemaso sy nitsipaka ny Baiboly i Frantsa, dia nibitaka ny fanahy ratsy sy ireo fanahin'ny maizina noho ny nahatratrarany ny zavatra niriny efa ela — dia fanjakana araka amin'ny fameperan'ny lalan'Andriamanitra (...) Azo lazaina fa niala ny Fanahin'Andriamanitra mamefy izay misakana ny hery lozaben'i Satana, ka nomena lalana hanatanteraka ny sitrapony ilay tsy mifaly afa-tsy amin'ny fahorian'ny olombeiona. Ireo izay nifidy ny hanompo ny fikomiana dia navela hijinja ny vokatr'izany mandra-pahatongan'ny tany ho heniky ny heloka bevava mahatsiravina loatra ka tsy azon'ny penina soritana. Re avy tamin'ireo faritany nanjary lao sy avy tamin'ireo tanan-dehibe rava ny feo mampivarahontsana dia feo mitory tebiteby mahatsiravina. Tahaka ny horohoron-tany ny hery nanozongozona an'i Frantsa. Ny fivavahana, ny lalana, ny rafitry ny fiarahamonina, ny fianakaviana, ny fanjakana sy ny fiangonana, izany rehetra izany dia samy nopotehin'ny tanana tsy masina izay nisandratra hanohitra ny lalan’Andriamanitra avokoa." - HM, t. 296 

"Raha tsy manaraka ny fitarihany mazava ny fiangonana ka mandray ny tara-pahazavana tsirairay alefany, ary manatanteraka ny adidy rehetra izay asehony, dia tsy maintsy hitotongana ho fanarahana fombafomba ivelany fotsiny ny fivavahana, ary hanjavona ny fanahin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra mitondra aina."- HM, t. 330 

 FANONTANIANA hifanankalozan kevitra:   
1. Ahoana no isehoan'ireo foto-kevitr'ilay fifanandrinana lehibe ao amin'ny Revolisiona frantsay?

2. Amin`ny fanohanana fa tsy misy Andriamanitra dia nanoratra ny olona iray fa "azontsika atao malalaka ny mametraka ny tanjontsika manokana sy hihoatra ny fefy ara-tsaina ka tsy hitady ireo famantarana maneho fameperana". Nahoana io fehezanteny hoe "tsy hitady ireo famantarana maneho fameperana" io no maneho ireo antony manosika ny olona maro handà an'Andriamanitra? Ahoana no anampian'ireo hevitra ireo amin'ny fanazavana ny toe-javatra sasantsasany nitranga tamin'ny Revolisiona frantsay?

3. Inona no hevitry ny fahitana nomena an'i Jaona momba ny Fitoerana Masina izay mifandraika amin'ireo toe-javatry ny andro farany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal