Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 02 August 2024


Vakio ny IFM, toko 35: "Mangina, mitsahara!", sy ny toko 36: "Ny finoana mitarika hanendry". 
"Ao amin'izay rehetra tezain'Andriamanitra no isehoan'ny fiainana izay tsy mifandrindra amin'izao tontolo izao, amin'ny fombany na ny fanaony; ary ny tsirairay avy dia mila ny hanao fanandramana manokana amin'ny fahazoana fahalalana ny sitrapon'Andriamanitra. Tsy maintsy ny tenantsika tsirairay no mandre Azy miteny amin'ny fo. Rehefa hampanginina ny feo hafa rehetra, ka miandry eo anatrehany am-pahatoniana isika, dia mampahazava kokoa ny feon'Andriamanitra ny fanginan'ny fanahy. Mibaiko antsika lzy hoe: 'Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra' - Sal. 46:10. Eo izany no mety ahitana ny tena fitsaharana marina. Ary izany no tena fiomanana mahomby ho an'ny asan'Andriamanitra rehetra. Eo anivon'ny vahoaka miasa mafy, dia ho voahodidin'ny rivo-piainana feno fahazavana sy fiadanana ny fanahy nahazo aina toy izany. Hamoaka fofo-manitra ny fiainany, ary haneho hery avy amin'Andriamanitra izay hiantefa hatrany amin'ny fon'ny olona." IFM, t. 384.

 "Tsy afa-po izy, ka velom-panontaniana hoe: Raha afaka nanao asa betsaka mahagaga tahaka izay efa natrehiny maso Jesôsy, nahoana Izy no tsy ho afaka hanome fahasalamana, hery sy harena ho an'ny olona rehetra, hanafaka azy amin'ny mpampahory azy ka hanandratra azy ho amin'ny fahefana sy ny voninahitra? Kristy milaza fa lzy Ilay nirahin'Andriamanitra, nefa mandà ny ho Mpanjakan'Isiraely, dia zava-miafina tsy hainy takarina izany. Diso ny fandraisana io fandavany io. Betsaka no nihevitra fa tsy sahy manamafy ny fitakiany lzy satria Izy tenany aza misalasala ny maha-avy amin'Andriamanitra ny asa nanirahana Azy. Tamin'izany no nanokafany ny fony ho amin'ny tsy finoana, ka nampitsimoka tao aminy ny voa izay efa nafafin'i Satana, dia ny fandraisana diso ny teny sy ny fihemorana." t. 405. 

FANONTANIANA  hifanakalozan-kevitra :
1. Raha misy olona manontany anao hoe: "tamin'ny inona no efa nanafahan'i Jesôsy anao?", dia inona no havalinao?
2. Ifanakalozy hevitra ny hoe: nahoana no indraindray avelan'Andriamanitra aiditra am-ponja sy vonoina ny olona tahaka an'i Jaona mpanao batisa? Inona ny fiononana na fanantenana ananantsika na eo aza izany zava-tsarotra izany?  
 3. Inona ny lesona azo tsoahina avy amin'ny tantaran'ny namahananri Jesôsy ireo olona dimy arivo, ho an'ny fiangonana izay tsy dia manana fahafahana ara-bola? 
4. Manao ahoana ny fijerin'ny olona an'i Jesôsy ankehitriny raha mitaha amin'ny fanoritsoritana Azy ao amin'ny Mar. 5 sy 6? Izany hoe, ahoana ny amin'ireo olona izay mampiasa an'i Jesôsy mba hahazoana fahefaha ara-pôlitika sy hanjakazakana amin'ny hafa? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal