Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FINOANA, NA INON-KIDONA NA INON-KITRANGA

Daty
Sabotsy 27 April 2024

Hodinihina mandritry ny herinandro: Sal. 119:162; Jao. 16:13-15; 2 Pet. 1:20,21; Efes. 2:8,9; Rôm. 3:23,24; Rôm. 6:15-18.
 

Tsianjery: "Ato am-poko no iraketako ny teninao, mba tsy hanotako aminao." —Sal. 119:11.

 

Nisy zavatra nilain'ny taonjato faha-21 fatratra tao amin'ireo mpanavao fivavahana protestanta, dia tanjona ho an'ny fiainany. Miresaka ny amin'ireo olona miaina tsy misy tanjona ilay psikology amerikanina malaza Philip Cushman, ao amin'ny bokiny mitondra ny lohateny hoe "The Empty Self". Ivelambelany ny finoan'izy ireo. Tsy ahoan'izy ireo loatra ny zava-manan-danja marina, ary tsy misy na inona na inona hitany ho mendrika ny hamoizany ny ainy, noho izany dia zara raha manana antony ahavelomana koa izy ireo.

Samihafa tanteraka amin'izany anefa ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizin'ny Fanavaozana ara-pivavahana protestanta. Nanana tanjona maharitra mendrika ho antom-piainany. Nanan-danja lehibe ny zavatra ninoan'izy ireo ary tsy nekeny velively ny hanao marimaritra iraisana handotoana ny fahamarinana. Tsy azo nosarahina taminy ny finoana niorenany. Ny fandavany izany finoana izany dia fandavana ny maha-izy azy ireo mihitsy. Nanana fiadanana anaty izy ireo na dia nanoloana ny fahafatesana aza.

Hodinihintsika ao amin'ny lesona amin'ity herinandro ity, miaraka amin'ny ohatra nalaina avy amin'ny Fanavaozana ara-pivavahana, ny amin'ny fampianaran'ny Soratra Masina izay manova fiainana, sy fototra iorenan'ny tanjona marina sy ny tena hevitry ny fiainana. Hanomana antsika ho amin'ny fotoan-tsarotra farany ao amin'ilay fifanandrinana lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy ny fahatakarana ireo fahamarinana mandrakizay ireo. Tsy mbola tapitra ny ady izay natombok'ireo mpanavao fivavahana ary nantsoina isika handray ny faneva eo amin'izay nampitany izany tamintsika. Afaka mahita an'Andriamanitra sy ny fahalehibiazany koa isika, izay ampy hiatrehantsika ny zava-tsarotra rehetra, Andriamanitra Izay mampisy heviny sy tanjona ho an'ny fiainantsika, ary tsy misy na inona na inona eto an-tany mahavita izany amin'ny fiainantsika. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal