Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FITSARANA MANDRITRY NY ARIVO TAONA

Daty
Alarobia 26 June 2024

Vakio ny Apôk . 20:4-6. Inona no ataon'ny olo-marina mandritra ny arivo taona, ary nahoana izany no zava-dehibe?

Hanana tombontsoa handinika ny rariny sy ny fitiavan'Andriamanitra teo amin'ny famahany ny olan'ny fahotana, mandritra ny arivo taona, ireo olo-marina. Iza moa no tsy manana fanontaniana tiana hapetraka amin'Andriamanitra mikasika ny zavatra marobe? Mandritra ny arivo taona any an-danitra no hahafahan'ny voavotra mametraka ireny fanontaniana ireny. Raha tsy hita any an-danitra ny sakaiza na ny olo-malala iray, dia hanana tombontsoa ny hahatakatra amin'ny fomba feno kokoa ny fanapahan-kevitr'Andriamanitra ny voavonjy amin'izay. Amin'ny fomba vaovao, ary amin-kery lehibe kokoa noho ny hatrizay, no handraisan'ny voavotra ny ezaka goavana ataon'Andriamanitra mba hamonjena ny olombelona rehetra. Ho tsapan'izy ireo indray fa izay very rehetra dia tsy tonga any an-danitra noho izy ireo nanosi-bohon-tanana an'i Kristy. Amin'izay Andriamanitra vao hamoaka ny valim-pitsarana farany ho an'ireo very-ny fahafatesana faharoa, izay faharavana mandrakizay. 

Vakio ny Apôk. 20:7-9. Ahoana no hifaranan’ny arivo taona? Inona ny anjara miandry an'i Satana sy ireo mpanara-dia azy?

Tsy hanana na iza na iza halaina fanahy sy hofitahina i Satana mandritra ny arivo taona. Izy sy ireo anjeliny irery no hisaintsaina ny vokatra mitera-dozan'ny fahotana. Rehefa mifarana ny arivo taona, dia hatsangana amin'ny maty ireo ratsy fanahy mba hiatrika ny fitsarana sy handray ny valin'asany farany (Apôk . 20:5).

Hanana mpanara-dia marobe i Satana amin'izany. Na dia niatrika tsy fahombiazana maro nisesisesy aza i Satana tao anatin'ny fifanandrinana lehibe, dia mampahery azy ny mahita ireo vahoaka sesehena izay very. Tsy mbola vonona hampitsahatra ny fikomiany izy ka mivoaka mba hamitaka ny "firenena maro." Ampirisihany izy ireo hanao ezaka goavana iray farany mba hanonganana ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy hanorenana ny fanjakany (Satana). Ny teny hoe "Goga sy Magoga" dia ampiasaina hanehoana an'i Satana sy ireo tsy voavonjy izay velona tamin'ny vanim-potoana samihafa teo amin'ny tantara. Manodidina ny "tobin'ny olona masina sy ny tanàna malala" i Satana sy ireo mpanara-dia azy.

Rehefa mifarana ny arivo taona, dia tsy hatsangana amin'ny maty fotsiny ireo ratsy fanahy, fa hidina avy any an-danitra ilay Tanana Masina, i Jerosalema Vaovao (Apôk. 21:2)! Avy niaina sy nanjaka niaraka tamin'i Kristy tany Jerosalema Vaovao nandritra ny arivo taona ny olona masina. Ankehitriny, mifarana ny arivo taona, midina avy any an-danitra miaraka amin'Andriamanitra, Jesôsy, ireo anjely ary ireo voavonjy ilay tanana. Manatrika ny ady farany ao amin'ilay fifanandrinana lehibe ny rehetra. Hofongorana ny fahotana ary tsy hisy intsony!

Inona no ambaran'ny fotoana hanaovana ny fitsarana farany mikasika ny toetran'Andriamanitra? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal