Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hitsangana aho

Daty
Sabotsy 03 February 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Sal. 18:3-18; Sal. 41:1-3; Deo. 15:7- 11; Sal. 82; Sal. 96:6-10; Sal. 99:1-4; Rôm. 8:34.

Tsianjery: "Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan'ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain'ny sasany."- Sal. 12:5.

Tsy izao androntsika izao ihany no vanim-potoana anjakan'ny faharatsiana sy ny tsy rariny ary ny fampahoriana. Toy izany koa ny tamin'ny andron'ny mpanao Salamo. Ary na ahoana na ahoana, ny Salamo dia fanehoan'Andriamanitra ny tsy fankasitrahany ny herisetra sy ny fampijaliana eto amin'izao tontolo izao, dia ny tontolo misy antsika sy ny an'ilay mpanao Salamo koa.

Eny tokoa, manam-paharetana lehibe ny Tompo ka mahari-po sy malain-ko tezitra, mba tsy hisy ho very fa ho tonga amin'ny fibebahana sy hiala amin'ny lalan- dratsiny ny olona rehetra (2 Pet. 3:9-15). Ary na dia tsy mifanandrify mandrakariva amin'izay antenain'ny olombelona aza ny fotoana idiran'Andriamanitra an- tsehatra, dia ho tonga tokoa ny andro fitsaran'Andriamanitra (Sal. 96:13; Sal. 98:9). Ny hany ilaintsika dia ny matoky Azy sy ny teny fikasany mandra-piavin'io andro io.

Ny Mpahary irery ihany, Izay fahamarinana sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandrianany (Sal. 89:14; Sal. 97:2), no mahay manamafy orina sy manome fahombiazana ho an'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny fitsarany amin'ny maha- mpanjaka azy. Ireto lafiny roa ireto no mandrafitra ny fitsaran'Andriamanitra: ny fanafahana ny ampahoriana sy ny fandringanana ny ratsy fanahy (Sal. 7:6-17).

Izany no toky nomena antsika, ary ho tonga tokoa izany andro izany - saingy amin'ny fotoan'Andriamanitra fa tsy ny fotoantsika, izay hevitra voizin'ny mpanao Salamo eto.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fampidirana
Sun 06 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ilay roimemy nirehitra.
Mon 07 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anjelin’i Jehôvah.
Tue 08 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anaran’i Jehôvah.
Wed 09 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ireo fialan-tsiny efatra.
Thu 10 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny famorana.
Fri 11 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Jul 2025
Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Jun 2025
Telovolana 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.
Sat 28 Jun 2025
Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.
Sun 29 Jun 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Vahoakan’Andriamanitra tao Egypta.
Mon 30 Jun 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.
Tue 01 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ireo mpampivelona Hebreo.
Wed 02 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Teraka i Mosesy.
Thu 03 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Miova ny drafitra.
Fri 04 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal