Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hitsangana aho

Daty
Sabotsy 03 February 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Sal. 18:3-18; Sal. 41:1-3; Deo. 15:7- 11; Sal. 82; Sal. 96:6-10; Sal. 99:1-4; Rôm. 8:34.

Tsianjery: "Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan'ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain'ny sasany."- Sal. 12:5.

Tsy izao androntsika izao ihany no vanim-potoana anjakan'ny faharatsiana sy ny tsy rariny ary ny fampahoriana. Toy izany koa ny tamin'ny andron'ny mpanao Salamo. Ary na ahoana na ahoana, ny Salamo dia fanehoan'Andriamanitra ny tsy fankasitrahany ny herisetra sy ny fampijaliana eto amin'izao tontolo izao, dia ny tontolo misy antsika sy ny an'ilay mpanao Salamo koa.

Eny tokoa, manam-paharetana lehibe ny Tompo ka mahari-po sy malain-ko tezitra, mba tsy hisy ho very fa ho tonga amin'ny fibebahana sy hiala amin'ny lalan- dratsiny ny olona rehetra (2 Pet. 3:9-15). Ary na dia tsy mifanandrify mandrakariva amin'izay antenain'ny olombelona aza ny fotoana idiran'Andriamanitra an- tsehatra, dia ho tonga tokoa ny andro fitsaran'Andriamanitra (Sal. 96:13; Sal. 98:9). Ny hany ilaintsika dia ny matoky Azy sy ny teny fikasany mandra-piavin'io andro io.

Ny Mpahary irery ihany, Izay fahamarinana sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandrianany (Sal. 89:14; Sal. 97:2), no mahay manamafy orina sy manome fahombiazana ho an'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny fitsarany amin'ny maha- mpanjaka azy. Ireto lafiny roa ireto no mandrafitra ny fitsaran'Andriamanitra: ny fanafahana ny ampahoriana sy ny fandringanana ny ratsy fanahy (Sal. 7:6-17).

Izany no toky nomena antsika, ary ho tonga tokoa izany andro izany - saingy amin'ny fotoan'Andriamanitra fa tsy ny fotoantsika, izay hevitra voizin'ny mpanao Salamo eto.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal