Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ILAY FEO MAHERY

Daty
Alakamisy 20 June 2024

Vakio ny Apôk . 18:1-4; Hab. 2:14 ary ny Mat. 24:14. Araka ireo andalan-teny ireo, ahoana no hamaranana ny asan'Andriamanitra eto an-tany?

Manana "fahefana lehibe" ilay anjely nanambara ny faharavan'i Babilôna. Tahaka ireo anjely ao amin'ny Apôk . 14, io anjely io dia maneho olona mpitondra hafatra. Maneho ny voninahitr'Andriamanitra amin'ny fahafenoany tokoa io anjely io ka manazava ny tany manontolo izany. Exoucia no teny grika hoenti-milaza ny fahefana. Matetika izany no manondro ny fandresen'i Kristy ireo fanapahana sy ny herin'ny helo. Mampiasa io teny io i Jesôsy ao amin'ny filazantsaran'i Matio, izay mifandraika amin'ny iraka nampanaoviny ireo mpianany. Manome fahefana ny mpianany Izy ao amin'ny Mat. 10:1, mba handresen'izy ireo ny fanapahana sy ny herin'ny helo. Tamin'ny fahefan'ny lanitra no nanirahany azy ireo ho mpandresy eo amin'ny ady ifanaovantny tsara sy ny ratsy. Ao amin'ny Mat. 28, dia maniraka azy ireo indray Izy, amin'ny "fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany' mba handeha sy hanao mpianatra ny firenena rehetra (Mat. 28:18,19).

Nanazava ny tany tamin'ny voninahitr'Andriamanitra ny fiangonan'ny Testamenta Vaovao rehefa feno ny herin'ny Fanahy Masina ary nandroso tamin'ny fahefan'llay Kristy velona izay nandresy ny fanapahana sy ny herin'ny helo tamin'ny fiainany sy ny fahafatesany. Tao anatin'ny taona vitsy monja no nitorian'ireo mpianatra ny filazantsara tamin'izao tontolo izao izay fantatra tamin'izany andro izany (Kol. 1:23).

Amin'ny andro farany, dia harotsaka amin-kery tsy mbola nisy toa azy ny Fanahy Masina, ary hiely haingana hatrany amin'ny faran'ny tany ny filazantsara. An'arivony maro no hiova fo ao anatin'ny iray andro ary hitondra fiovana eto amin'izao tontolo rehetra izao ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fahamarinana. Amin'izany no hitondrana fampitandremana amin'izao tontolo izao, ary hiely maneran-tany ny filazantsara sy ny fanantenana atolony.

"Ny asa lehibe fitoriana ny filazantsara dia tsy hifarana amin'ny fanehoana ny herin'Andriamanitra latsa-danja noho izay hita teo amin'ny fiantombohany. Ireo faminaniana izay tanteraka tamin'ny nirotsahan'ny ranonorana voalohany tamin' ny fiandohan'ny fitoriana ny filazantsara dia ho tanteraka indray amin'ny fiafaran'izany amin'ny ranonorana farany. (...) Hidodododo hatraiza hatraiza ny mpanompon'Andriamanitra hitory ny hafatra avy any an-danitra, ary ny tavany hazava sy hamirapiratra noho ny fanokanan-tena masina. An'arivony ny feo manerana ny tany, izay hitondra ny hafatra fampitandremana. Hisy fahagagana hatao, hositranina ny marary, ary hisy famantarana sy zava-mahazendana hanaraka ny mpino."- HM, tt. 637, 638.

Inona no misakana ny firotsahan'ny Fanahy Masina amin'ny fomba mahery vaika, sy ny fara-orana ary ny antso mafy? Na dia kely aza ny anjara toerana tanan'ny tsirairay amintsika, inona no azontsika atao amin'ny fahavononana handray sy ny fandraisana ny firotsahan'ny Fanahy Masina? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal