Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ILAY FEO MAHERY

Daty
Alakamisy 20 June 2024

Vakio ny Apôk . 18:1-4; Hab. 2:14 ary ny Mat. 24:14. Araka ireo andalan-teny ireo, ahoana no hamaranana ny asan'Andriamanitra eto an-tany?

Manana "fahefana lehibe" ilay anjely nanambara ny faharavan'i Babilôna. Tahaka ireo anjely ao amin'ny Apôk . 14, io anjely io dia maneho olona mpitondra hafatra. Maneho ny voninahitr'Andriamanitra amin'ny fahafenoany tokoa io anjely io ka manazava ny tany manontolo izany. Exoucia no teny grika hoenti-milaza ny fahefana. Matetika izany no manondro ny fandresen'i Kristy ireo fanapahana sy ny herin'ny helo. Mampiasa io teny io i Jesôsy ao amin'ny filazantsaran'i Matio, izay mifandraika amin'ny iraka nampanaoviny ireo mpianany. Manome fahefana ny mpianany Izy ao amin'ny Mat. 10:1, mba handresen'izy ireo ny fanapahana sy ny herin'ny helo. Tamin'ny fahefan'ny lanitra no nanirahany azy ireo ho mpandresy eo amin'ny ady ifanaovantny tsara sy ny ratsy. Ao amin'ny Mat. 28, dia maniraka azy ireo indray Izy, amin'ny "fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany' mba handeha sy hanao mpianatra ny firenena rehetra (Mat. 28:18,19).

Nanazava ny tany tamin'ny voninahitr'Andriamanitra ny fiangonan'ny Testamenta Vaovao rehefa feno ny herin'ny Fanahy Masina ary nandroso tamin'ny fahefan'llay Kristy velona izay nandresy ny fanapahana sy ny herin'ny helo tamin'ny fiainany sy ny fahafatesany. Tao anatin'ny taona vitsy monja no nitorian'ireo mpianatra ny filazantsara tamin'izao tontolo izao izay fantatra tamin'izany andro izany (Kol. 1:23).

Amin'ny andro farany, dia harotsaka amin-kery tsy mbola nisy toa azy ny Fanahy Masina, ary hiely haingana hatrany amin'ny faran'ny tany ny filazantsara. An'arivony maro no hiova fo ao anatin'ny iray andro ary hitondra fiovana eto amin'izao tontolo rehetra izao ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fahamarinana. Amin'izany no hitondrana fampitandremana amin'izao tontolo izao, ary hiely maneran-tany ny filazantsara sy ny fanantenana atolony.

"Ny asa lehibe fitoriana ny filazantsara dia tsy hifarana amin'ny fanehoana ny herin'Andriamanitra latsa-danja noho izay hita teo amin'ny fiantombohany. Ireo faminaniana izay tanteraka tamin'ny nirotsahan'ny ranonorana voalohany tamin' ny fiandohan'ny fitoriana ny filazantsara dia ho tanteraka indray amin'ny fiafaran'izany amin'ny ranonorana farany. (...) Hidodododo hatraiza hatraiza ny mpanompon'Andriamanitra hitory ny hafatra avy any an-danitra, ary ny tavany hazava sy hamirapiratra noho ny fanokanan-tena masina. An'arivony ny feo manerana ny tany, izay hitondra ny hafatra fampitandremana. Hisy fahagagana hatao, hositranina ny marary, ary hisy famantarana sy zava-mahazendana hanaraka ny mpino."- HM, tt. 637, 638.

Inona no misakana ny firotsahan'ny Fanahy Masina amin'ny fomba mahery vaika, sy ny fara-orana ary ny antso mafy? Na dia kely aza ny anjara toerana tanan'ny tsirairay amintsika, inona no azontsika atao amin'ny fahavononana handray sy ny fandraisana ny firotsahan'ny Fanahy Masina? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal