Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ILAY MPISORONABENTSIKA

Daty
Alakamisy 04 April 2024

Izay nataon’i Jesôsy ho antsika teo amin’ny hazo fijaliana dia nahatonga Azy ho afaka hanao fanelanelanana ho antsika any an-danitra. Ilay Tompontsika nitsangana tamin’ny maty no Mpisoronabentsika lëhibe, manome antsika izay rehetra ilaina mba hahavoavonjy antsika sy hiainantsika mandrakizay ao amin’ny fanjakan'Andriamanitra Izy.

Vakio ny Heb. 4:15,16 sy ny Heb. 7:25. Ahoana no anomezan’ireo andininy ireo toky antsika eto amin'ity tany feno fakam-panahy, fijaliana, aretina, ary fahafatesana ity?

Voalaza ao amin’ny Heb. 4:15 fa “nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota". Ary ampiany hoe “Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory” – and. 4:16.

Raha lazaina amin’ny tomba tsotra dia izao: asehon’i Jesôsy antsika izao tontolo àry rehetra izao voatafy amin’ny fahamarinany, voavonjin’ny fahafatesany, ary voavotry ny rany. Izay rehetra tokony ho anjarantsika no nozakainy Tsy misy fanamelohana noho ny fahotantsika lasa ao amin’i Kristy. Foana ny fahamelohantsika ao amin’i Kristy, ary noho ny fanelanelanana mahomby ataony ho antsika dia tsy eo ambanin’ny vahohon’ny fahotana intsony ny fiainantsika. Mivaha ireo fatorana mangeja antsika, ary afaka isika.

Vakio ny Jao. 17:24-26. Inona no fanirian'i Kristy lalina ao amin'ilay fifanandrinana lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy?

« Rehefa vita ilay sorona lehibe dia niakatra ho any amin’ny avo Kristy ary nolaviny ny fiankohofan’ny anjely mandra-panehoany ilay fangatahany hoe: ‘Tiako mba ho any amiko amin’izay itoerako ireo izay nomenao Ahy'. Tamin'izay dia tonga ny valiny nivoaka avy tamin’ny seza fiandrianan’ny Ray, nitafotafo fitiavana sy hery tsy hay lazaina nanao hoe: ‘Aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anatrehany'. Tsy nisy pentina tafajanona teo amin’i Jesôsy. Tapitra hatreo ny fampietrena Azy, feno ny sorona nataony, ary dia nomena anarana ambonin’ny anarana rehetra Izy » - HM, t. 519. Irin'i Jesôsy ambonin'ny zava-drehetra ny hiarahantsika Aminy any an-danitra. Ny hamonjy antsika no fanirian’ny fony sy anton’ny nahafatesany ary anaovany fanelanelanana. Inona no ilainao manokana eo amin’ny fiainanao? Lazao amin’i Jesôsy izany. Mitondra fampaherezana eo amin’izay misy alahelo Izy. Fiadanana no entiny eo amin’izay misy tahotra. Mitondra famelan-keloka Izy eo amin’izay misy fahamelohana, ary hery eo amin’izay misy fahalemena.

Araka ny hevitrao, nahoana i Kristy no nanao sorona ny tenany ho antsika? Inona no mahatonga antsika ho sarobidy loatra eo imasony?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal