Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ILAY VANIM-POTOANA ARA-PAMINANIANA LAVA INDRINDRA

Daty
Alakamisy 16 May 2024

Vakio ny Ezra 7:7-13. Oviana no navoaka ny didy nomena ny Isiraely babo tany Persia mba hanorina indray ny tempoliny?

I Artaksersesy mpanjakan'i Persia no namoaka izany didy izany tamin'ny 457 TIK. Io didy io no farany amin'ireo didy telo namela ny Jiosy hiverina hanamboatra indray an'i Jerosalema sy hamerina amin'ny laoniny ireo fanompoam-pivavahana tao amin'ny Tempoly. lo didy fahatelo io no feno indrindra ary manamarika ny fiantombohan'ny faminanian'ny 2300 andro/taona.

Vakio ny Dan. 9:25,26. Oviana io vanim-potoana ara-paminaniana io no manomboka? Inona avy ireo toe-javatra lehibe ambaran'ireo andininy ireo mialoha?

Ao amin'io faminaniana miavaka io, i Daniela dia naminany fa hatramin'ny "hivoahan'ny didy hanamboarana sy hananganana indray an'i Jerosalema" hatramin'ny Mesia, dia hisy 69 herinandro ara-paminaniana, na 483 andro ara-pamianiana, na taona ara-bakiteny. Satria ny fararanon'ny taona 457 TIK no nivoahan'ny didy, ireo 483 taona dia miitatra hatramin'ny fararanon'ny taona 27 amin'izao androntsika izao. Ny teny hoe "Mesia" dia midika hoe "Ilay voahosotra". Ny fararanon'ny taona 27 TrK no natao batisa i Kristy ary nandray ny fanosoran'ny Fanahy (Asa. 10:38). Taorian'ny nanaovana batisa Azy dia nankany Galilia i Jesôsy "nitory ny filazantsaran'Andriamanitra ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana " - Mar. 1:14,15. Tamin'ny lohataonan'ny taona 31, teo afovoan'ny herinandro farany ara-paminaniana, telo taona sy tapany taorian'ny nanaovana batisa Azy no nohomboana tamin'ny hazo fijaliana i Jesôsy . Ny rafitra fanaovana fanatitra izay nanondro ilay Zanak'Ondrin'Andriamanitra dia nifarana tamin'ny Sorona nataon'i Kristy teo Kalvary. Nihaona tamin'ny tena izy ny tandindona ary nitsahatra nony farany ireo sorona sy fanatitry ny rafitra seremôniely rehetra.

 Vakio ny Dan. 9:27. Toy ny ahoana ny fiafaran'ireo 70 herinandro ara-paminaniana?

Ireo fitopolo herinandro, na 490 taona, natokana ho an'ny Jiosy dia tapitra tamin'ny taona 34 niaraka tamin'ny fandavan'ny Sinedriona ny hafatry ny filazantsara (Asa. 6:8-7:60). Raha esorina amin'ny 2300 taona ny 490 taona araka ny faminaniana dia 1810 taona no sisa hahatanterahan'ny faminaniana. Mitondra antsika ho eo amin'ny taona 1844 izany. I William Miller sy ireo Advantista voalohany dia nino fa ny Fitoerana Masina ao amin'ny Dan. 8:14 dia ny tany, ary nihevitra izy ireo fa ho avy hanadio ny tany amin'ny alalan'ny afo i Kristy amin'ny taona 1844. (Jereo ny tabilao ao amin'ny fizarana Zoma.) 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal