Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

IREO 2300 ANDRO AO AMIN’NY DANIELA 8:14

Daty
Alarobia 15 May 2024

Hitan'i William Miller fa tanteraka antsakany sy andavany ireo toe-javatra nolazain'ireo mpaminany mialoha: ireo 400 taona nivahinian'ny taranak'i Abrahama, ireo 40 taona nirenirenen'ny lsiraely tany an'efitra, ireo 70 taona nambaboana ny lsiraely ary ireo 70 herinandro nomena ny Isiraely araka ny faminanian'i Daniela (Gen. 15:13, Nom. 14:34, Jer. 25:11 ary ny Dan. 9:24).

Vakio ny Mar. 1:15, Gal. 4:4, ary ny Rôm. 5:6. Inona no lazain'ireo andininy ireo amintsika momba ny fandaharam-potoan'Andriamanitra ho an'ny fiaviany voalohany?

Rehefa nandinika ny faminaniana i Miller, ka nampitaha ny Soratra Masina tamin'ny Soratra Masina, dia nanao tsoa-kevitra fa raha nanana fandaharam-potoana Andriamanitra manerana ny Baiboly manontolo dia tokony hanana fandaharam-potoana ho an'ny fiavian'ny Tompontsika fanindroany lzy.

Vakio ny Dan. 8:14. Inona ny toe-javatra tokony hitranga amin'ny fiafaran'ny 2300 andro?

Neken'i William Miller ilay fomba fijerin'ny besinimaro nilaza fa ny "fanadiovana ny Fitoerana Masina" dia ny fanadiovana ny tany amin'ny afo. Tamin-kafanam-po no nandinihany ny Soratra Masina mba hahatakarana ny amin'ireo tranga mana-danja toy izany. Hitany ny fifandraisana nisy tamin'ny Daniela 8 sy ny Daniela 9. Ao amin'ny Dan. 8 dia nomena baiko ny anjely hoe "ampahalalao ny fahitana ity lehilahy ity' - Dan. 8:16. Any amin'ny fiafaran'ny toko, ny hany ampahany tsy voazava amin'ny fahitana izay ao amin'ny Dan. 8 (jereo ny Dan. 8:27) dia ilay momba ny 2300 andro. Taty aoriana dia niverina tamin'i Daniela ilay anjely ka nilaza hoe "avy hampahazava saina anao aho" (Dan. 9:22; jereo koa ny Dan. 9:23, 25-27). Ho fanampiana azy hahatakatra ny amin'ireo 2300 andro izany. Fantatsika izany satria taorian'ny nangatahana an'i Daniela hoe "diniho ny teny, ary aoka ho fantatrao ny fahitana" - Dan. 9:23, ny teny voalohany nataon'ilay anjely dia hoe: "Fito-polo herinandro no voatendry ho an'ny firenenao sy ny tanananao masina" - Dan. 9:24. Ny voanteny nadika hoe "voatendry" dia midika ara-bakiteny hoe "nesorina", na "nalana". Fitopolo herinandro, na 490 taona, no tokony hesorina. Saingy amin'inona? Amin'ny fahitan'ny 2300 andro, mazava loatra - ilay hany ampahany amin'ny Dan. 8 izay tsy nazava tamin'i Daniela ka tonga ny anjely hanazava izany. Ary satria ny fanombohan'ny 70 herinandro dia "hatramin'ny hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema" - Dan. 9:25, dia fantatr'i Miller fa raha manana io daty io izy dia afaka hahafantatra ny fiandohan'ny 70 herinandro sy ny faminaniana momba ny 2300 andro. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal