Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

IREO AMBOADIA

Daty
Alatsinainy 15 April 2024

Vakio ny Asa. 20:27-32. Inona avy ireo fampitandremana manokana nomen'ny apostoly Paoly ireo mpitondra fiangonana tao Efesosy momba ny fihemorana ho avy?

Ny hanomana ny fiangonana amin'izay zavatra ho avy no tanjon'ny torohevitr'i Paoly. Maneho fanahiany roa lehibe izy ao amin'ireo andininy ireo.

Ny fanahiany voalohany dia "hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry" - Asa. 20:29. Izany hoe, hiatrika fanenjehana mahamay ny nnpino, saingy avy ao anatin'ny fiangonana ihany. Tamin'ny taonjato voalohany sy faharoa no nahatanterahan'izany faminaniana izany. Nampijalina, nampidirina am-ponja ary nodorana teo amin'ny antontan-kitay ireo Kristianina izay nanda tsy hiankohoka amin'ny amperora amin'ny fandohalehana eo anatrehan'ireo andriamanitr'i Roma.

Naneho ny fanahiany faharoa ny apostôly raha nilaza hoe: "Ary avy aminareo no hiposahan'ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy" - Asa. 20:30. Hiditra ao am-piangonana ny fampianaran-diso. Hosoloana foto-pampianarana diso ireo fahamarinan'Andriamanitra. Hanjaka ny fanaon'ny mpanompo sampy. Tamin'ny taonjato fahefatra sy fahadimy dia tafatsofoka mangina tao amin'ny fiangonana kristianina ny marimaritra iraisana, ka ho fampandrosoana ny asa no mety ho nanamarinana izany. Saingy ny voka-dratsy naterak'izany dia ny fandaozana ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra.

Vakio ny 2 Tes. 2:7-12. Ahoana no anoritsoritan'i Paoly apostôly ilay fihemorana ho avy? Inona ireo toetra mampiavaka izany, izay tokony hofantarin'izy ireo?

Manan-danja ilay fanazavan'i Paoly manao hoe: "Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna". Na tamin'ny andron'i Paoly aza dia nisy ny fihatahana tsikelikely tamin'ny fahamarinan'ny tenin'Andriamanitra mikasika ny fankatoavana ny lalàn'Andriamanitra.

Hahazo vahana izany mandritra ireo taonjato farany.
Natsofoka tao amin'ny fanompoam-pivavahana Kristianina ny sampy, izay mifanohitra amin'ny didy faharoa. Taona an'arivony maro no efa nametrahan'ny fivavahana jentilisa rehetra ny sampy ho eo amin'ny laharana voalohany. Mba hahatonga ny fivavahana Kristianina ho azon'ireo mpanompo sampy tafiditra tao amin'ny fiangonana kristianina nekena, dia novana anarana hoe "olo-masina" ireo andriamanitry ny mpanompo sampy. Nekena tsikelikely ho andro fivavahana kristianina ny Alahady, izay andro nivavahana tamin'ny andriamanitra masoandro, ho fanomezam-boninahitra ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty. Mahazo vahana io andro sandoka io, izay tsy hamarinin'ny Soratra Masina, na dia ankehitriny aza.

Karazana marimaritra iraisana inona no hitantsika miditra ao amin'ny fiangonana ankehitriny? Zava-dehibe noho izany aza. Inona ireo marimaritra iraisana mety ataonao amin'izao fotoana izao? Amin'ny fampifangaroana ny marina sy ny diso ve izany indraindray? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (43)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal