Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

IREO TOE-JAVATRA FARANY EO AMIN'NY TANTARAN'NY TANY 

Daty
Sabotsy 15 June 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 8:32; Ezek. 20:12, 20; Apôk. 7:1, 2; Apôk. 14:1; Joe. 2:21-24; Hôs. 6:3; Jak. 5:7, 8; Apôk. 18:1-4.

Tsianjery: "Vidio ny marina, ka aza amidy, dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina."- Ohab. 23:23.

Andeha atao hoe an-dalam-podiana avy any amin'ny oniversite mba hamonjy ny fotoam-pialan-tsasatry ny fahavaratra ny zanakao vavy mbola tanora, mitondra fiara izy. Raha eo am-piandrasana ny fahatongavany ianao, dia manaraka am-pitebitebena fatratra ny filazana momba ny toetry ny andro. Nampitaintaina anao ny fiovan'ny andro ho ratsy dia ratsy. Raho-mainty mitatao no eny amin'ny faravodilanitra, mitsoka mafy dia mafy ny rivotra. Misokatra ny lanitra ary mivatravatra ny orana. Tsofin'ny rivotra ny hazo ka midaraboka. Tsy ela akory dia manjary tsy azo aleha ilay lalambe mankany an-trano. Kanjo renao tamin'ny mpiara-monina anankiray fa misy lalan-kely iray azo aleha. Azon'ny fiara atao ny miala amin'ireo tapa-kazo latsaka eny amin'ny arabe. Na dia sarotra aza ny fomba ifandraisana dia afaka mandefa hafatra ho an'ilay zanakao vavy ihany ianao, izay milaza aminy an-tsipiriany ny zavatra tokony hataony mba ho tody soa any an-trano izy. Irin'i Jesôsy mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra ny hitarika antsika hamakivaky ireo tafiotran'ny fiainana ka hody any amin'ny fonenantsika. Izao no nosoratan'i Ellen G. White: "Misy tafiotra manatona, mifofofofo aoka izany. Moa ve isika efa vonona hisetra izany?"- TFC, b. 8, t. 315.

Ny tanjon'ny fiainan'i Kristy, ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin'ny maty, ary ny asa fanompoana ataony ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra dia ny hahazo antoka fa ho tody soa any an-trano isika. Torolalana avy amin'Andriamanitra izay miantefa manokana amin'ny vahoakan'ny andro farany ny hafa-paminaniana ao amin'ny Daniela sy ny Apôkalipsy, manampy antsika hamakivaky ny tafiotran'ny fiainana izany, mba hahatonga antsika hahazo ny famihinana mamin'ny sandrin'Ilay Mpamonjy be fitiavana indray andro any.

Ny tanjon'ny lesona mandritra ity herinandro ity dia ny haneho ny fanambaran'ny teny faminaniana momba ireo toe-javatra mamarana ny tantaran'ny tany, ary koa ny hahita indray ny herin'i Kristy izay hitondra antsika hamakivaky ny fifanandrinana farany eto an-tany ary hitondra antsika hody. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal