Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

IREO VANIM-POTOANA ARA-PAMINANIANA 

Daty
Alatsinainy 06 May 2024

Ampitahao amin'ny Dan. 7:25 ny Apôk. 11:3 sy ny Apôk. 12:5, 6, 14, 15. Inona ireo fitoviana hitanao ao amin'ireo vanim-potoana ara-paminaniana ireo?

Ireo vavolombelona roa dia "haminany enim-polo amby roan-jato amby arivo andro (...), sady hitafy lamba fisaonana" (Apôk. 11:3). Izany dia ilay vanim-potoana roa amby efapolo volana izay hanitsahan'ny "Jentilisa" (ireo izay manohitra ny fahamarin'Andriamanitra) ny tanana masina (Apôk. 11:2). Manitsaka ny fahamarinan'Andriamanitra mandritra ny 1260 andro (42 x 30 = 1260, ny andro tsirairay dia tandindon'ny taona iray ao amin'ny faminaniana apôkaliptika) ireo fahavalon'Andriamanitra, ary ireo vavolombelon'Andriamanitra roa - ny Testamenta Taloha sy Vaovao - dia maminany hamely azy ireo mandritra io vanim-potoana io ihany.

Araka ny efa hitantsika (jereo ny lesona fahefatra), ny Dan. 7:25 dia milaza fa ny fahefan'ilay tandroka kely izay ho teraka avy amin'ny fizarazaran'ny Fanjakana r6manina dia hanenjika ny vahoakan'Andriamanitra "ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro". Ny "fetr'andro" iray dia taona iray (360 andro). Araka izany, ny fetr'andro telo sy tapany dia midika ho 1260 andro. Ny Apôk . 12:6,13 dia miresaka momba ny 1260 andro anenjehana ny vahoakan'Andriamanitra.

Ny Apôk. 12:14 dia miresaka momba ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro. Ny Apôk. 13:5 dia miresaka momba ny 42 volana. Hitantsika miaraka ny 42 volana sy ny 1260 andro ao amin'ny Apôk. 11:2,3. Vanim-potoana ara-tantara iray ihany, izay manana lafiny samy hafa, no resahin'ireo faminaniana rehetra ireo.

Rehefa hamaivanina ny fahefan'ny Soratra Masina dia ny fahefana hafa (an'olombelona) no mitsangana ho solony. Izany matetika dia mitarika ho amin'ny fanenjehana ireo mpiaro ny Tenin'Andriamanitra, izay nitranga tamin'ny vanim-potoana nanjakan'ny papa tamin'ny taona 538 hatramin'ny taona 1798 rehefa latsaka tao amin'ny haizina ara-panahy lalina ny fiangonan'ny Vanim-potoana Antenantenany. Nisolo toerana ny didin'Andriamanitra ny didin'olombelona. Nanaloka ny fahatsoran'ny Filazantsara ireo fombafomban'olombelona. Nikambana tamin'ny fahefam-panjakana mba hanitatra ny fahefany tao Eorôpa manontolo ny fiangonan'i Rôma.

Nandritra ireo 1260 taona dia nitafy lamba fisaonana ny Tenin'Andriamanitra —ireo vavolombelona roa. Nototofana tamin'ny Iovantsofina sy ny fombafomba maro ny fahamarinan'ireo. Mbola naminany hatrany anefa ireo vavolombelona roa, nanohy niteny ny Baiboly. Na dia teo anivon'ireo haizina ara-panahy ireo aza dia voatahiry ny Tenin'Andriamanitra. Tao ireo nankamamy izany ka niaina araka ny fitsipiny. Saingy raha nampitahaina tamin'ireo vahoaka marobe tao Eoropa dia vitsy an'isa izy ireo. Nahatoky tamin'ny Tenin'Andriamanitra araka ny nahatakarany azy ireo Vaudois, i Jean Huss, Jerome, Martin Luther, Ulrich Zwingli, Jean Calvin, John sy i Charles Wesley ary ny mpanavao fivavahana maro hafa.

Inona avy ireo fampianarana ankehitriny hazonin'ny Kristianina maro izay miorina amin'ny lovantsofina fa tsy amin'ny Tenin'Andriamanitra? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal