Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.

Daty
Alakamisy 01 January 2026

Vakio ny Fil. 1:1-3 sy ny Kol. 1:1,2. Ahoana no amaritana ny fiangonana tany Filipy sy Kolosia, ary inona no hevitra fonosin'izany fanambarana izany?

"Olona masina" no iantsoan'i Paoly ny Kristianina any amin'ireo toerana ireo ao amin'ny epistiliny, araka ny fanaony rehefa miarahaba na manao veloma azy ireo. (zany hoe, tamin'ny alalan'ny batisa dia nohamasinina ho olona manokan'Andriamanitra izy ireo, toy ny vahoaka Isiraely tamin'ny alalan'ny famorana (Eks. 19:5,6; ampitahao amin'ny 1 Pet. 2:9,10), izay natokana ho "firenena masina," (Tsy misy ifandraisany velively amin'ny fanaon'ny fiangonana romanina izany, izay manandratra olona ho "olo-masina").

Mahaliana koa ny fampitahana ny fiarahaban'i Paoly ao amin'ireo epistily roa ireo. "Ny mpitandrina sy ny diakona" (Eli. 1:1) no resahiny tany Filipy, ary "rahalahy mahatoky ao amin'i Kristy" (Kôr. 1:2) kosa tany Kolosia, Rehefa miresaka momba ny "rahalahy mahatoky" ny TV, dia olona manana fanompoana manokana ao amin'ny fiangonana izany (jereo ny Efes. 6:21; Kol. 4:7; 1 Pet. 5:12). Noho izany, tsy ireo mambran'ny fiangonana fotsiny no resahin'i Paoly fa ireo mpitondra fivavahana ao amin'ireo tanana ireo koa. Ny fanondroana andraikitra, izay voafaritra kokoa any amin'ny epistily hafa (ohatra, ao arnininy 1 Tim. 3:1-12; Tit. 1:5-9) dia vavolombelon'ny fisian'ny fandaminana sy ny maha zava-dehibe izany hatramin'ny niandohan'ny fiangonana.

Laharam-pahamehana ho an'i Paoly ny fanofanana mpiara-miasa toa an'i Timoty sy Epafra, sy ny fametrahana mpitarika ho an'ny fiangonana teo an-toerana; ary nampitombo ny ezaka nataony teo amin'ny asa fitoriany izany. Izany hoe, nanana fomba fiasa sy paikady ho an'ny asa fitoriana sy ny fihazonana ny mpino tsy hihemotra izy. Nanaraka ny fandaminana fiangonana ao amin'ny Testamenta Vaovao ny mpamaky lay advantista, araka ny asehon'ny lahatsoratra maro ao amin'ny Review and Herald nanomboka tamin'ny taona 1850. Raha ny marina, hoy i James White: "Ny fandaminana avy amin'Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Vaovao dia ampy handaminana ny fiangonan'i Kristy. Raha nisy fandaminana hafa nilaina, dia ho nomena tamin'ny alalan'ny tsindrimandry izany." —"Gospel Order," The Advent Review, and Sabbath Herald, 6 Desambra 1853, t. 173. Taloharitny nanoratan'i Paoly ho an'ireo fiangonana ireo, dia efa nanomboka nametraka tompon'andraikitra tao amin'ny fiangonana tany Jerosalema ireo apostoly (jereo ny Asa' 6:1-6; Asa 11:30), izay "natao ho ohatra amin'ny fandaminana ny fiangonana eo amin'ny toerana hafa rehetra ahazoan'ireo mpitondra hafatry ny fahamarinana, olona niova fo ho amin'ny filazantsara." — VM, t. 82.

Fantatsika fa nanana mpanampy i Paoly tamin'ny fanoratana sy fandrafetana ny epistiliny. Voatonona ho mpiara-mandefa hafatra aminy i Timoty any amin'ny epistily hafa (jereo, ohatra, ny 2 Kôr. 1:1; Filem. 1). Ny fanononan'i Paoly ny tenany voalohany fa tsy olon-kafa dia mampiseho fa mijoro ao ambadik'ireo epistily ireo koa ny fahefany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny
Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal