Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FITSIPIKA VITSIVISY MOMBA NY FAMINANIΑΝΑ - Aoka hisaina izay mamaky azy.

Daty
Alahady 30 March 2025

Midira ao amin'ny trano fivarotam-boky kristianina iray ary jereo ny lohatenin'ireo boky momba ny faminanian'ny Baiboly ao. Tsy ho ela akory dia ho talanjona ianao fa hahita karazana fomba fijery sy fanazavana maro samy hafa, ary mety halaim-panahy ianao hino fa tsy misy olona tena mahatakatra izay voalazan'ny boky tahaka ny Apokalipsy. Ambaran'ny mpanoratra iray, ohatra, fa ny antikristy dia tsy hafa fa sary an'ohatra ihany; misy hafa indray milaza fa mbola ho avy izany; ary ny mpanoratra iray hafa dia manambara fa manondro zavatra na olona iray tamin'ny andron'ny fanjakan-dehibe rõmanina jentilisa izany. Izao no nambaran'ny mpitoriteny efa antitra anankiray: "Azo heverina ho toy ny lokanga tranainy iray ny Baiboly ka samy afaka mitendry izay feon-kira tiany hotendrena aminy ny olona."

Tsy manambara zavatra tahaka izany momba ny tenany anefa ny Baiboly. Tsy İzany, fa asainy isika hamaky, ao anatin'ny fieritreretana fa tsy foana tsy akory no itenenan Andriamanitra ary koa azontsika atao ny mahafantatra ny fahamarinana izay ambarany amin'ny alalan'ny Teniny.

Vakio ny Mat. 24:15; Apôk . 1:3; Mat. 11:29 ary ny Jer. 9:23,24. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo momba ny fikasan'Andriamanitra hahatakarantsika ny Teniny?

Oniversite maro no mampianatra momba "ny Baiboly amin'ny maha-literatiora azy", na ny mitovy amin'izany. Mety ho gaga ny mpino raha manatrika fampianarana mandritra ny ora maro nefa tsy handre afa-tsy ny famakian'ny mpampianatra ny Baiboly tahaka ny famakian'ny olona iray anganon'ny mpanompo sampy. Izao no hevitra tiany havohitra: misy "fahamarinana" ara-môraly bitika ihany azo tsoahina avy amin'ireo tantara ao saingy afaka manao izay tiany mahakasika izany ny mpamaky. Mampihomehy ireny mpampianatra ireny ny filazana fa avy tamin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra io boky lo.

Araka izany, mamaky ny Baiboly izany mpampianatra izany saingy tsy mandre ny feon'Andriamanitra miteny. Misy olona manatsoaka hevitra mifanohitra mazava amin'ny hafatry ny Baiboly. Rehefa tsy milefitra eo anatrehan'ny Tompo sy manokatra ny fony hianatra ny fahamarinana ny olona mamaky ny Baiboly, dia azo inoana tokoa fa sady tsy haharay ny hafatra voarakitra ao no tsy hahatakatra araka ny tokony ho izy ny toetran'Andriamanitra masina sy be fitiavana izay asehon'ireo takila ao. Mora kokoa noho izay mety heverin'ny maro ny hahatonga izany amintsika. Izany no mahatonga ny famakiana fotsiny ny Baiboly tsy arahin'ny fitaovana mifandraika amin'izany ary indrindra ny toe-tsaina tokony hanaovana azy, eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina, hampidi-doza.

Nisy olona fantatry ny maro fa tsy mpivavaka namaky Balboly. Izao no navaliny rehefa nanontaniana momba izay nataony izy: "Mitady ny lesoka madinika tsy hinoana izay voalaza ato aho." Izany tokoa no toe-tsaina tsy mety manoloana ny famakiana ny Tenin'Andriamanitra; nahoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal