Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FITSIPIKA VITSIVISY MOMBA NY FAMINANIΑΝΑ - Aoka hisaina izay mamaky azy.

Daty
Alahady 30 March 2025

Midira ao amin'ny trano fivarotam-boky kristianina iray ary jereo ny lohatenin'ireo boky momba ny faminanian'ny Baiboly ao. Tsy ho ela akory dia ho talanjona ianao fa hahita karazana fomba fijery sy fanazavana maro samy hafa, ary mety halaim-panahy ianao hino fa tsy misy olona tena mahatakatra izay voalazan'ny boky tahaka ny Apokalipsy. Ambaran'ny mpanoratra iray, ohatra, fa ny antikristy dia tsy hafa fa sary an'ohatra ihany; misy hafa indray milaza fa mbola ho avy izany; ary ny mpanoratra iray hafa dia manambara fa manondro zavatra na olona iray tamin'ny andron'ny fanjakan-dehibe rõmanina jentilisa izany. Izao no nambaran'ny mpitoriteny efa antitra anankiray: "Azo heverina ho toy ny lokanga tranainy iray ny Baiboly ka samy afaka mitendry izay feon-kira tiany hotendrena aminy ny olona."

Tsy manambara zavatra tahaka izany momba ny tenany anefa ny Baiboly. Tsy İzany, fa asainy isika hamaky, ao anatin'ny fieritreretana fa tsy foana tsy akory no itenenan Andriamanitra ary koa azontsika atao ny mahafantatra ny fahamarinana izay ambarany amin'ny alalan'ny Teniny.

Vakio ny Mat. 24:15; Apôk . 1:3; Mat. 11:29 ary ny Jer. 9:23,24. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo momba ny fikasan'Andriamanitra hahatakarantsika ny Teniny?

Oniversite maro no mampianatra momba "ny Baiboly amin'ny maha-literatiora azy", na ny mitovy amin'izany. Mety ho gaga ny mpino raha manatrika fampianarana mandritra ny ora maro nefa tsy handre afa-tsy ny famakian'ny mpampianatra ny Baiboly tahaka ny famakian'ny olona iray anganon'ny mpanompo sampy. Izao no hevitra tiany havohitra: misy "fahamarinana" ara-môraly bitika ihany azo tsoahina avy amin'ireo tantara ao saingy afaka manao izay tiany mahakasika izany ny mpamaky. Mampihomehy ireny mpampianatra ireny ny filazana fa avy tamin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra io boky lo.

Araka izany, mamaky ny Baiboly izany mpampianatra izany saingy tsy mandre ny feon'Andriamanitra miteny. Misy olona manatsoaka hevitra mifanohitra mazava amin'ny hafatry ny Baiboly. Rehefa tsy milefitra eo anatrehan'ny Tompo sy manokatra ny fony hianatra ny fahamarinana ny olona mamaky ny Baiboly, dia azo inoana tokoa fa sady tsy haharay ny hafatra voarakitra ao no tsy hahatakatra araka ny tokony ho izy ny toetran'Andriamanitra masina sy be fitiavana izay asehon'ireo takila ao. Mora kokoa noho izay mety heverin'ny maro ny hahatonga izany amintsika. Izany no mahatonga ny famakiana fotsiny ny Baiboly tsy arahin'ny fitaovana mifandraika amin'izany ary indrindra ny toe-tsaina tokony hanaovana azy, eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina, hampidi-doza.

Nisy olona fantatry ny maro fa tsy mpivavaka namaky Balboly. Izao no navaliny rehefa nanontaniana momba izay nataony izy: "Mitady ny lesoka madinika tsy hinoana izay voalaza ato aho." Izany tokoa no toe-tsaina tsy mety manoloana ny famakiana ny Tenin'Andriamanitra; nahoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (9)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal