Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1 - IREO FAMANTARANA MANONDRO NY LALANA : Fampidirana

Daty
Sabotsy 28 September 2024

Hodinihana mandritry ny herinandro : Jao. 2:1-11; Jao. 4: 46-54; Jao. 5:1-16; Mar. 3: 22,23; Mat. 12: 9-14; Jao. 5: 16-47.

Tsianjery :  ‘’Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon'i Jesôsy teo imason'ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin'ity boky ity;fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesôsy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino ianareo.’’Jao. 20: 30,31.


Nahoana i Jaona no nanoratra ny filazantsarany? Naniry ny hanasongadina ireo fahagagana nataon’i Jesôsy ve izy? Sa niriny ny hanasongadina ireo fampianarana manokana nataon’i Jesôsy? Inona no antony nanoratany ny zavatra nosoratany?

Teo ambany herin’ny Fanahy Masina sy ny hery miasa mangina avy Aminy no nanazavan'i Jaona ny anton’izany. Nambarany fa na dia mbola betsaka aza no azo nosoratana mikasika ny fiainan’i Kristy (Jao. 21:25), dia nosoratany kosa ireo tantara ireo “mba hinoanareo fa Jesôsy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino hianareo." – Jao. 20:31.

Hojerentsika mandritra ity herinandro ity ao amin’ny filazantsaran’i Jaona ny sasany amin’ireo fahagagana voalohany nataon’i Jesôsy – manomboka amin’ny fanovana ny rano ho divay nandritra ny fampakaram-bady anankiray ka hatramin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fahasalaman’ny zanakalahin’ny olona iray izay narary mafy ary koa ny fanasitranana ny lehilahy iray tao amin’ny farihin’i Betesda.

Antsoin'i Jaona hoe “famantarana” ireny fahagagana ireny. Tsy ny takela-by famantarana eny an-dalana tsy akory no tiany hambara amin’izany fa toe-javatra isehoan’ny fahagagana izay manondro zava-misy lalindalina kokoa: i Jesôsy amin’ny maha-Mesia Azy. Hitantsika ao amin’ireny tantara ireny ny ohatra ny amin’ireo olona izay naneho asa mitory finoana. Ary manasa antsika hanao toy izany koa ny ohatra nasehon’izy ireo.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal