Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1 - IREO FAMANTARANA MANONDRO NY LALANA : Ilay fahagagana teo amin’ny farihin’ny Betesda

Daty
Talata 01 October 2024

Tao amin'ny farihin'i Betesda no nitrangan'ny famantarana manaraka izay noraketin'i Jaona (Jao. 5:1-9). Ninoan'ny olona fa misy anjely manetsika ny rano ka izay marary voalohany tafidina ao anatin'ny rano dia sitrana. Vokatr'izany dia nitangorona teo amin'ny sisin'ny farihy ireo izay nanantena fanasitranana amin'ny fisehoana manaraka. Nankany Jerosalema i Jesôsy, ary nahita ireo vahoaka betsaka niandry teo Izy raha nandalo teo anilan'ilay farihy.

Nanao ahoana re ny fahitana izany toe-javatra izany! Indro vahoaka marobe, izay azo antoka fa narary mafy ny sasany tamin'izy ireo, niandry fatratra ny fanasitranana tao amin'ilay rano, izay azo antoka fa tsy hisy mihitsy. Fotoana lehibe fanararaotra ho an'i Jesôsy izany!

Vakio ny Jao. 5:1-9. Nahoana i Jesôsy no nanontany an'ilay lehilahy mararin'ny paralysisa raha toa izy te ho sitrana kanefa mazava loatra fa naniry ny ho sitrana ny olona rehetra teo amoron'ny farihy (Jao. 5:6)?

Rehefa narary nandritra ny fotoana maharitra ny olona iray ary tonga zava-mahazatra azy ny aretina, dia mety tsy mampahazo aina azy indray ny hiala amin'izany tsy fahatomombanana izany (na dia toa hafahafa aza ny fiheverana izany toe-javatra izany). Hita taratra tamin'ny valin-tenin'ilay lehilahy kosa ny faniriany ho sitrana. Izao anefa no olana: tany amin'ny toerana tsy tokony handehanany no nitadiavany fanasitranana nefa Ilay nanao ny tongotr'olombelona no nijoro manoloana azy. Tsy fantatr'ity lehilahy ity Ilay niresaka taminy; taorian'ny fahasitranany vao azo heverina fa nanomboka nahatakatra ny maha-Olona manokana an'i Jesôsy izy.

"Tsy nangataka an'ity olona mijaly ity haneho finoana Azy i Jesôsy. Hoy fotsiny lzy: 'Mitsangana, ento ny fandrianao, ka mandehana.' Nihazona izany teny izany anefa ny finoan-dralehilahy, dia indro fa nisy aina vao nampihetsiketsika ny retsika sy ny hozatra tsirairay, ary nisy vokany mahasalama teo amin'ireo rantsam-batany malemy tsy afa-nihetsika izany. Tsy nihambahamba izy fa nisafidy avy hatrany ny hankato ny baikon'i Kristy, ary nanaiky ny sitrapony ny hozatra rehetra tamin'ny tenany. Nitsamboatra nitsangana izy ka hitany tamin'izay fa kingakinga ery ny fihetsiny.

"Tsy nanome toky azy ny hisian'ny fanampian'Andriamanitra i Jesôsy. Azon-dralehilahy natao ny nihazohazo, ka ho very eo ny hany fotoana mety hahasitrana azy. Nino ny tenin'i Kristy anefa izy, ka ny fanatanterahany izany no nahazoany hery." - IFM, t. 150, ed. 2023.

Taorian'izay no nihaonan'i Jesôsy tamin'ilay lehilahy tao amin'ny tempoly ary nilazany taminy hoe: "Indro, efa sitrana hianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo." - Jao. 5:14. lnona no ifandraisan'ny aretina sy ny fahotana? Nahoana isika no tokony hahatakatra fa tsy ny aretina rehetra no vokatra mivantan'ny fahotana voafaritra iray eo amin'ny fiainantsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal