Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 06 June 2025

Tsy afaka niaro ny tenany na ny vahoakany tamin'ny fiampangan'i Satana ilay mpisoronabe. Tsy afaka nihambo an'Isiraely ho tsy manan-tsiny koa izy. Nitafy lamba maloto, izay tandindon'ny fahotan'ny vahoaka iadidiany i Josoa, Ilay nisolo tena azy, ary nitsangana teo anoloan'ny anjely. Niaiky ny fahotany rehetra izy raha nanambara ny fibebahana sy ny fanetren-tena nataon'ireo niavian'ny ota. Ary nanankina izany tamin'llay Mpanavotra namela heloka izy sady nangataka tamim-pinoana ny teny fikasan'Andriamanitra. (...)

"Ireo fiampangana ataon'i Satana amin'izay mitady ny Mpamornjy indray, dia tsy avy amin'ny fankahalany ny fahotana akory. Fa vao mainka mahafaly azy ireo kileman-toetra ananan'ny Kristianina, satria fantany fa ny fandikana ny didin'Andriamanitra ihany no ahazoany toky hanamparany ny fahefany rehetra amin'izy ireo. Ny fankahalany ny Mpamonjy ihany no Rangory fototry ny afo amin'ireo fiampangana ataony. Foanan'i Jesosy amin'ny alalan'ny planin'ny famonjena anefa ny fangejan'i Satana eo amin'ny fianakaviana olombelona, ka manafaka azy amin'ny heriny Izy. (...)

"Tsy azon'ny olombelona atao ny hahatohitra ireo fiampangana ataon'ilay fahavalo amin'ny alalan'ny herin'ny tenany. Miaiky ny fahotany eo anatrehan'Andriamanitra izy amin'ny fitondrana izato akanjo maloto. Koa, Jesosy, Ilay mpisolovava antsika, no miady amin'ny fomba mahomby ho azy amin'izay. Miaro azy izy, ary noho ny amin'ny fanatitra teo Kalvary, dia maharesy ilay mpiampanga izy. Ny fankatoavany tanteraka ny lalan'Andriamanitra no nahazoany ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany, ary mitaraina amin'ny Rainy Izy mba hanomezany ny famindrampony amin'ny mpanota sy mba hampihavanana azy Aminy indray." - MM, tt. 474-477.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Nilaza tamin'ny mplanany i Jesosy fa eto amin'izao tontolo izao izy ireo, kanefa tsy naman'izao tontolo izao (jereo ny Jao. 15:19; Jao. 17:14-16). Manana adidy hamonjy izao tontolo izao isika kanefa mila miaro ny tenantsika koa mba "tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao" - Jak. 1:27; ahoana no ahaizantsika mandanjalanja izany?

2. Nanao asa fitoriana i Noa mialoha ny Safodrano. Inona no ampianarin'io tantara io antsika mikasika ny zava-miseho ao anatin'llay fifanandrinana lehibe? Amin'ny fomba ahoana no anaovantsika asa mitovy amin'izany koa ankehitriny?

3. Mialoha ny handevonan'Andriamanitra ny ratsy fanahy amin'ny afo avy any an-danitra (tahaka ny nataony tamin'i Sódóma), dia atsangany amin'ny maty aloha izy ireo, ary avelany hiasan'i Satana mandritra ny fotoana fohy (Apok. 20:7-9). Araka ny hevitrao, nahoana no ilaina io dingana farany io mialoha ny hamerenan Andriamanitra ny zavatra rehetra amin'ny laoniny?

4. Eo am-pieritreretanao ireo tantara nodinihintsika tamin'ity herinandro ity, inona ireo fampitandremana raisinao ho an'ny fiainanao manokana? Inona no ampianarin'ireo tantara ireo anao momba ny fanantenana ao amin'i Kristy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal