Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ny fahatezeran’i Zanak’ondry.

Daty
Alahady 01 June 2025

Vakio ny Apôk. 6:12-17. Diniho amin'ny tsipiriany ny fihetsik'ireo olona eo am-piatrehana ireo tranga amin'ny andro farany. Inona no voamarikao?

Mahaliana ny mahita eto fa ireo very dia tsy miantsoantso hoe: "Inona izao zava-mitranga izao?" na hoe "Iza no ao ambadik'izao?". Toa takatr'izy ireo tsara ny zava-mitranga. "Zanak'ondry" no iantsoany an'i Jesôsy , koa tsy maintsy mahafanta-javatra momba ny tantaran'i Kristy izy. Toa tsapan'izy ireo koa fa "tonga ny andro lehiben'ny fahatezerany" ka dia tsy misy azo antenaina intsony ny aminy: "ka iza no mahajanona?",

Hotorina amin'ny firenena rehetra eto ambonin'ny tany ny filazantsara mialoha ny farany (Mat. 24:14), ary ho fantatry ny tany manontolo ny hafatry ny anjely telo. Na izany aza dia mbola hisy olona ihany ho tratra tsy niambina - tsy noho ny tsy nahafantarany, fa noho ny fandavany tsy hino sy tsy hankato. Izany no antony hahavery ny olona toy izany any am-parany.

Vakio ny Mat. 24:36-44. Araka ny ambaran'i Jesôsy eto, inona ireo lesona tokony horaisintsika avy amin'ny tantaran'i Noa?

Nampahatsiahy ny tantaran'ny Safodrano i Jesôsy ho fampitandremana antsika fa hanampoka ny maro ny fiaviany. Tsy noho ny tsy fahafantarana no nahatonga ny Safodrano ho tampoka ho an'izao tontolo izao, tahaka izay hiseho amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany koa. Nitory tamin'izao tontolo izao nandritra ny 120 taona i Noa, fa tsy nety nino izy ireo. Nambara tamin'izy ireo izay hitranga, saingy tsy nino izy ireo.

Maro koa no mihevitra fa ny fahelan'ny fotoana dia midika fa tsy marina ny faminaniana. Hoy i Petera ao anatin'ny tontolon-kevitry ny Safodrano: "fa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin'ny fihaviany? Fa hatrizay nodian'ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao aza." Hihamafy orina izany fiheverana izany arakaraka ny androsoan'ny fotoana.

Eo amin'ny fiainan'ny tsirairay, ny fiavian'i Jesôsy fanindroany (na fanintelony ho an'ny sasany) dia tsy lavitra fa aorian'ny fahafatesana, ary fantatsika tsara fa mandalo sy mi serana ihany ny fiainana. Ahoana no anampian'izany fomba fijery izany antsika hahay hiatrika izany "fahelan'ny fotoana" izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal