Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ny fitsarana mialoha ny fiverenan’i Kristy.

Daty
Alakamisy 05 June 2025

maso momba izay takona amin'ny masontsika ny fanoritsoritana ny fitsarana hita ao amin'ny Dan. 7 fotoana mahatalanjona ahafahantsika mahita ny fomba amahan'Andriamanitra ny olan'ny ota, sady amonjeny ireo izay maniry hifandray Aminy ao anatin'ny fanekena.

Vakio ny fanoritsoritana ny fitsarana famotopotorana ao amin'ny Dan. 7:9,10,13,14,22,26,27. Inona no tena ifantohan'ny fitsarana? Inona ny didim-pitsarana navoaka taorian'izany? Inona no ambaran'izany amintsika momba ny drafi-panavotana?

T’y isalasalana fa ny taranak'olombelona no tsarain'Andriamanitra. Manome toky antsika ny voalaza ao amin'ny Mpitt. 12:14 fa "ny atao rehetra dia ho entin'Andriamanitra ho amin'ny fitsarana", ary ampahatsiahivin'i Paoly fa tsy ilaintsika ny mifampitsara satria "samy hiseho eo anoloan'ny fitsaran'Andriamanitra isika rehetra" Rôm. 14:10. Mazava loatra fa tsy mila boky firaketana Andriamanitra mba hahafantarany izay voavonjy sy izay very, saingy inoana fa mametra-panontaniana ihany ireo anjely izay nandinika ny drafi-panavotana hatrany am-piandohana (1 Pet. 1:12). Hitan'izy ireo mantsy ny nandroahana an'i Satana sy ny ampahatelon'ny anjely tany an-danitra (Apôk. 12:4), ary izao dia entin'Andriamanitra eo anatrehany isika. Sokafan'Andriamanitra ny boky, ary avelany hahita ny zavatra rehetra isika.

Manome antsika fanazavana manan-danja momba ny fitsarana ny tantaran'ny nifonan'i Abrahama ho an'i Sodoma sy Gomora. Miharihary fa efa nofotopotorina ny fahotan'i Sôdôma; nambaran'Andriamanitra fa lehibe tokoa ny fitarainana momba azy noho ny fahotany (Gen. 18:20). Kanefa tsy ny amin'i Sodoma sy Gomora ihany no nanaovana fanadihadiana mialoha ny nandravana azy ireo. Navelan'Andriamanitra handinika tsara koa i Abrahama raha ara-drariny na tsia ny fanapahan-keviny handringana ny ratsy fanahy.

Ary iza ilay miseho eo afovoan'ny fitsaran'ny lanitra ao amin'ny Dan. 7? Tsy iza fa "ny zanak'olona", dia i Jesôsy ((Dan. 7:13, jereo koa ny Mat. 20:28), Izay hany antony mahatonga ny olo-masin'ny Avo Indrindra nomena rariny (Dan. 7:22). Ny fahamarinany tonga lafatra irery ihany no ahafahan'ny olony mandresy amin'ny fitsarana.

Alao sary an-tsaina hoe mijoro eo anatrehan'ny fitsarana lanao, miaraka amin'ireo tsiambaratelonao voaseho eo anatrehan'Andriamanitra masina. Inona no hany fanantenana ho anao amin'io fotoana io? (Jereo ny lesona Zoma)

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal