Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ny tantaran’i Sodoma sy Gomora.

Daty
Talata 03 June 2025

Misy tantara iray avy ao amin'ny TT koa resahin'i Petera rehefa manoritsoritra ireo tranga amin'ny andro farany izy, dia ny fandravana an'i Sodoma sy Gomora. Nanjary nikoizana npho ny faharatsiany ireo tanana teo amin'ny lemaka, ary tonga ohatra voalohany ny amin'ny tanana be mponina izay noravan'ny afo avy any an-danitra.

Vakio ny 2 Pet. 2:4-11, Joda 5-8, sy ny Ezek. 16:46-50, ary mariho ny tsipiriany rehetra. Nanao ahoana ny fitondran-tenan'ny olona, izay nitarika ho amin'ny fandravana fan Ireo tanana ireo? Inona ny zava-misy mitovy amin'izany ankehitriny?

Mazava ny fampitandremana omena ny olona amin'ny andro farany eto amin'ity tany ity, amin'ny alalan'ny tantaran'i Sodoma sy Gomora: haringana amin'ny afo koa ny ratsy fanahy amin'ny farany, araka ny voalaza ao armin'ny Apôk. 20. Mamitaka tokoa ny ota satria manajamba antsika tsy hahita ny toetry ny fontsika, manarontsarona ny fahadisoantsika ao ambadiky ny fanamarinan-tena, kanefa matetika hitantsika mivandravandra kosa ny ratsy ataon'ny hafa. Tsy maintsy mampitandrina ny firenena koa Andriamanitra ao amin'ilay toko izay iresahany ny amin'ny fitiavana mitafotafo itiavany io fireneny io, na dia tsy mitovy aza ny heloka vitany (Ezek. 16:47), fa raha ny marina dia ratsy kokoa noho i Sōdōma izy.

Nijangajanga ny Isiraely (Ezek. 16:41), nijangajanga ara-panahy. Saino ny hatairan'ny vahoakan'Andriamanitra rehefa nandre fa ratsy lavitra noho ireo mponina nalaza ratsy indrindra izy ireo.

Tsy zava-baovao izany, na ho an'ny Isiraely fahiny na ho an'ny taranak'olombelona manontolo. Manao lisitra lava i Paoly ao amin'ny Rôm. 1:18-32, momba ny haratsian'ny olombelona izay toa avy amin'ny gazety ankehitriny. Tsy natao hampanandra-tena ny Jiosy akory ny filazalazan'i Paoly ny fahotan'ny Jentilisa fa mba hahatakarany ny maha-lehibe ny fahotan'izy ireo koa. Toy izany no nataon'i Natana rehefa niresaka tamin'i Davida izy: tantaran'ny lehilahy manan-karena iray nangalatra ny zanak'ondrin'ny lehilahy mahantra iray no nolazainy taminy. Nampirehitra ny fahatezeran'i Davida io tantara io (2 Sam. 12:5), satria toa niharihary taminy ny tsy rariny. Kanefa raha tsy ny fanambaran'i Natana hoe: "Hianao no izy" (2 Sam. 12:7), dia tsy fantatr'i Davida ny helony.

Zava-dehibe ny ahatsiahivantsika fa tsy izao tontolo izao any ivelany no nanoratana voalohany indrindra ny Baiboly fa ny vahoakan'Andriamanitra. Rehefa mahita ny fahotana mahatsiravina ataon'ny hafa voalaza ao amin'ny Soratra Masina isika, toy ny Apokalipsy 13 na 17, dia fampitandremana ho antsika izany fa mety ho latsaka amin'izany fandrika izany koa isika.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal