Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ny tantaran’i Sodoma sy Gomora.

Daty
Talata 03 June 2025

Misy tantara iray avy ao amin'ny TT koa resahin'i Petera rehefa manoritsoritra ireo tranga amin'ny andro farany izy, dia ny fandravana an'i Sodoma sy Gomora. Nanjary nikoizana npho ny faharatsiany ireo tanana teo amin'ny lemaka, ary tonga ohatra voalohany ny amin'ny tanana be mponina izay noravan'ny afo avy any an-danitra.

Vakio ny 2 Pet. 2:4-11, Joda 5-8, sy ny Ezek. 16:46-50, ary mariho ny tsipiriany rehetra. Nanao ahoana ny fitondran-tenan'ny olona, izay nitarika ho amin'ny fandravana fan Ireo tanana ireo? Inona ny zava-misy mitovy amin'izany ankehitriny?

Mazava ny fampitandremana omena ny olona amin'ny andro farany eto amin'ity tany ity, amin'ny alalan'ny tantaran'i Sodoma sy Gomora: haringana amin'ny afo koa ny ratsy fanahy amin'ny farany, araka ny voalaza ao armin'ny Apôk. 20. Mamitaka tokoa ny ota satria manajamba antsika tsy hahita ny toetry ny fontsika, manarontsarona ny fahadisoantsika ao ambadiky ny fanamarinan-tena, kanefa matetika hitantsika mivandravandra kosa ny ratsy ataon'ny hafa. Tsy maintsy mampitandrina ny firenena koa Andriamanitra ao amin'ilay toko izay iresahany ny amin'ny fitiavana mitafotafo itiavany io fireneny io, na dia tsy mitovy aza ny heloka vitany (Ezek. 16:47), fa raha ny marina dia ratsy kokoa noho i Sōdōma izy.

Nijangajanga ny Isiraely (Ezek. 16:41), nijangajanga ara-panahy. Saino ny hatairan'ny vahoakan'Andriamanitra rehefa nandre fa ratsy lavitra noho ireo mponina nalaza ratsy indrindra izy ireo.

Tsy zava-baovao izany, na ho an'ny Isiraely fahiny na ho an'ny taranak'olombelona manontolo. Manao lisitra lava i Paoly ao amin'ny Rôm. 1:18-32, momba ny haratsian'ny olombelona izay toa avy amin'ny gazety ankehitriny. Tsy natao hampanandra-tena ny Jiosy akory ny filazalazan'i Paoly ny fahotan'ny Jentilisa fa mba hahatakarany ny maha-lehibe ny fahotan'izy ireo koa. Toy izany no nataon'i Natana rehefa niresaka tamin'i Davida izy: tantaran'ny lehilahy manan-karena iray nangalatra ny zanak'ondrin'ny lehilahy mahantra iray no nolazainy taminy. Nampirehitra ny fahatezeran'i Davida io tantara io (2 Sam. 12:5), satria toa niharihary taminy ny tsy rariny. Kanefa raha tsy ny fanambaran'i Natana hoe: "Hianao no izy" (2 Sam. 12:7), dia tsy fantatr'i Davida ny helony.

Zava-dehibe ny ahatsiahivantsika fa tsy izao tontolo izao any ivelany no nanoratana voalohany indrindra ny Baiboly fa ny vahoakan'Andriamanitra. Rehefa mahita ny fahotana mahatsiravina ataon'ny hafa voalaza ao amin'ny Soratra Masina isika, toy ny Apokalipsy 13 na 17, dia fampitandremana ho antsika izany fa mety ho latsaka amin'izany fandrika izany koa isika.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal