Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: LALANA SY FAHAMARINANA ARY FIAINANA - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 06 December 2024

Vakio ny IFM, toko 51: "Ny fahazavan'aina", sy ny boky The Certainty of the Second Coming. "The Authority of the Bible and the Certainty of the Second Coming", tt. 23-36.

Rehefa nilaza i Jesôsy hoe: "Izaho no fahazavan'izao tontolo izao", "dia tao amin'ny kianjan'ny tempoly izay nanaovana ny fanompoana teo amin'ny Fetin'ny Tabernakely no nisy Azy. "Nijoalajoala teo afovoan'io kianja io ireo tongotra fanaovan-jiro roa avobe, izay nihantonan'ny fitoeran-jiro lehibe dia lehibe. Taorian'ny fanatitra hariva, dia narehitra ny jiro rehetra, ka nampitosaka ny fahazavany tamin'i Jerosalema. Natao ho fahatsiarovana ilay andrian'ny fahazavana izany fanompoam- pivavahana izany sady noheverina koa ho manondro ny fiavian'ny Mesia. Ny hariva, rehefa narehitra ny jiro, dia tonga toeram-piravoravoana lehibe ny kianja. (...)

"Ny fanazavana an'i Jerosalema dia nanehoan'ny vahoaka ny fanantenany ny fiavian'ny Mesia izay hanaparitaka ny fahazavany amin'ny Isiraely. Ho an'i Jesôsy anefa dia nalalaka kokoa ny dikany. Toy ny jiro mamirapiratry ny tempoly izay manazava ny manodidina azy rehetra, dia toy izany koa Kristy, loharanon'ny fahazavana ara-panahy, izay manazava ny haizina eo amin'izao tontolo izao. Tsy tanteraka anefa ny tandindona. Ilay fahazavana lehibe izay napetraky ny tanany teo amin'ny lanitra no mampiseho marina kokoa ny voninahitry ny asa nanirahana Azy.

"Maraina ny andro; vao niposaka indrindra teo amin'ny tendrombohitra Oliva ny masoandro ka namirapiratra sy nanjelanjelatra teo amin'ireo lapa vatosoa ny tara- pahazavany, ary nampitombo ny fahazavan'ny rindrina volamenan'ny tempoly, raha niteny Jesôsy, sady nanondro izany ka nanao hoe: "Izaho no fahazavan'izao tontolo izao".-IFM, t. 381.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Resaho ao amin'ny kilasy ny valin-teninao tamin'ilay fanontaniana farany tao amin'ny lesona Alakamisy. Inona ireo fahamarinan-dehibe ampianarin'ny Baiboly izay tsy ho azontsika ianarana na oviana na oviana avy amin'ny siansa, na ny ara-keviny ihany aza? Ohatra, ny hazo fijaliana? Sa ny fitsanganana amin'ny maty? Sa ny fiavian'i Jesôsy fanindroany? Inona koa ireo fahamarinana manan-danja ao amin'ny Baiboly izay tsy maintsy nambara tamintsika, raha tsy izany dia tsy ho nahafantatra izany mihitsy isika?

2. Saino ny amin'ny fahalavoan'i Losifera, ilay voary tonga lafatra izay nanam-pahalalana lehibe tokoa momba an'Andriamanitra sy ny toetrany. Na teo aza anefa izany rehetra izany dia mbola nikomy Taminy ihany izy. Inona no ambaran'izany amintsika momba ny maha-zava-misy ny safidy malalaka, izay ananantsika koa? Ary nahoana isika no mila mametraka tsy tapaka izany safidy izany eo an-tanan'Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal