Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: LALANA SY FAHAMARINANA ARY FIAINANA - " Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana "

Daty
Talata 03 December 2024

Vakio ny Jao. 14:5,6. Inona ny fanontaniana napetrak'i Tômasy momba ny toerana halehan' i Jesôsy? Inona no navalin'i Jesôsy azy?

Toa mitombina ihany ny fanontanian'i Tômasy. Raha tsy fantatrao izay alehan'ny olona iray, ahoana moa no hahafantaranao ny lalana hanarahana izany olona izany? Namaly i Jesôsy fa ny Tenany no làlana. Làlana mankaiza? Mankany amin'ny Ray. Asongadina ao amin'ny fitarihan-teny (Jao. 1:1-18) fa mifamatotra akaiky ny Teny (logos), i Jesôsy Kristy, sy ny Ray.

Voalaza ao amin'ny Jao. 1:18 fa ny Zanakalahy Tokana no nanambara ny Ray. Ny hoe "nanambara" eto dia avy amin'ny matoanteny grika hoe exēgeomai, izay midika hoe "manazava, mampiharihary". Avy amin'izany no ahazoana ny teny hoe exegesis, izany hoe mamoaka ny heviny. Araka izany, i Jesôsy Kristy no rohy mampifandray amin'ny Ray; Izy no manazava sy mamoaka ny hevitry ny Ray amin'izao tontolo izao lavo. Noho izany dia Izy no lalana mankany amin'ny Ray. Raha tsy misy Azy dia voafetra ny fahatakarantsika.

Vakio ny Jao. 14:7-11. Ahoana no nanazavan'i Jesôsy ny sain'i Filipo tao anatin'ny fahadisoan-keviny?

Nangataka mba hampisehoana ny Ray i Filipo. Zavatra tsy hain'ny olombelona atao na zakaina izany mahita ny Ray izany (ampitahao amin'ny Eks. 33:17- 34:9, Jao. 1:18). Nanome tsiny ny tsy fahatakarany i Jesôsy nanao hoe: "Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray" - Jao. 14:9. Koa mazava tsara fa lalana mankany amin'ny Ray tokoa i Jesôsy. Izy no fahazavana manazava ny lalana mankany amin'Andriamanitra. Raha tsy eo Izy dia maizina sy tsy azo antoka ny lalana.

Natambatr'i Jesôsy ireto teny telo ireto: lalana, fahamarinana, ary fiainana. Ankoatra ny ao amin'ny Jao. 14:6 dia indray mandeha ihany no ampiasana ny hoe "lalana", ao amin'ny Jao. 1:23, momba an'i Jaona manomana ny lalana ho an'i Jesôsy. Ny fahamarinana sy fiainana kosa dia lohahevi-dehibe ao amin'ny filazantsara. Hifantoka manokana amin'ilay lohahevitra manan-danjan'ny fahamarinana ny lesontsika Alarobia sy Alakamisy, indrindra eto amin'ity tontolo ity, izay mampisalasala be ihany ny famaritana ny atao hoe "fahamarinana".

Nahoana no mampahery tokoa ny mahafantatra fa i Jesôsy no fanambarana tsara indrindra ananantsika eto momba ny Ray sy ny toetrany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana
Sun 09 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny fanekena aloha.
Mon 10 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny Paska.
Tue 11 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Thu 13 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Maniry fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra.
Fri 14 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal