Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 05 September 2025

FIANARANA FANAMPINY

Vakio "Ny fitoerana masina sy ny momba azy rehetra," tt. 331-341 ao amin'ny PM.

Toerana manokana nanaovana fanavotana ho an'ireo fahotana niaiken'ny vahoakan Andriamanitra ny tabernakely. Toerana nampahafantarana ny drafi-pamonjena iray manontolo izany, drafitra izay nampahafantarina an-tsipiriany ny zanak'Isiraely fony izy ireo tany an'efitra. Samy nampianarina tao ny fanamarinana sy ny fanamasinana ary ny fitsarana. Nanondro ny fahafatesan'i Jesosy ny biby tsirairay natao fanatitra, ary koa nanondro ny famelana ny fahotana sy ny fikosehana izany amin'ny farany. Niara-dalana tamin'ireny fanatitra ireny ny lalan'Andriamanitra izay fenitry ny fahamarinana.

"Raha tahiny ka ny Lalan'Andriamanitra ao anaty fiara no antoky ny fitsipika lehiben'ny fahamarinana sy milaza ny fahafatesan'ny mpandika lalana, dia ny rako-panavotana izay manarona azy kosa ka hanehoan'Andriamanitra ny fanatrehany, no mampanantena famelan-keloka ho an'ny mpanota mibebaka izay manaiky ny fanati-panavotana. Toy izany no nanehoana ny fanavotana nataon'ny Zanak'Andriamanitra ara-tandindona tao amin'ny fitoerana masina izay ao no 'mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana.' - Sal. 85:10" - PM, t. 336.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Impiry ianao no efa nilaza hoe: "Ny teny rehetra izay nolazain'i Jehôvah dia hataoko?" Nanao ahoana ny fahombiazanao manoloana ny ezaka natao?

2. Tamin'ny fiafaran'ny 40 andro nijanonan'i Mosesy tany an-tendrombohitra Sinay niaraka tamin'i Jehôvah , dia notsipihin'Andriamanitra ny tsy maintsy hitandreman'ny Isiraelita ny Sabata satria izany no ho famantarana eo Aminy sy izy ireo fa Izy no Jehovah izay manamasina azy. Inona no anjara asan'ny fahamasinana sy ny fanamasinana eo amin'ny fitandremana ny Sabata? 

3. Nirin'i Jehôvah ny hanaovan'izy ireo fitoerana masina "dia honina eo aminy Aho." Mahavariana tokoa izany toerana izany, izay ivon'ny famonjena ny Isiraely. Tao amin'io fitoerana masina io, izay nitoeran'i Jehôvah teo amin'ny vahoakany, no nanatanterahana ny drafi-pamonjena tamin'ny alalan'ireo aloka sy tandindona maro. Inona no ambaran'izany amintsika momba ny fianteherantsika manontolo amin'Andriamanitra mba hahazoana famonjena?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal