Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Hery ho enti-mankatò.

Daty
Talata 02 September 2025

HERY HOENTI-MANKATÒ 

Vakio ny Ezek. 36:26-28. Ahoana no fisehon'ny fankatoavana eo amin'ny fiainantsika?

Intelo ny Isiraelita no nanambara tamin-kafanam-po fa hankato an’Andriamanitra (Eks. 19:8; Eks. 24:3, 7). Zava-manan-danja ny fankatoavana, na dia ampianarin'ny Baiboly aza fa malemy sy tsy tanteraka ary marefo sy mpanota isika olombelona. Tsy teo amin'ny tantaran'ny Isiraely fahiny ihany no nanehoana izany fahamarinana mampalahelo izany fa manerana ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra rehetra.

Ahoana àry no hahaizantsika manara-dia an'Andriamanitra amim-pahatokiana? Izao no vaovao mahafaly: rehefa mibaiko antsika Andriamanitra, dia manome hery hoentintsika manatanteraka izany. Tsy avy ao anatintsika ny fanampiana fa avy ety ivelany, ary izany no manampy antsika hanao araka ny fitakian'Andriamanitra; Asany izany. Asehon'ny mpaminany Ezekiela mazava tsara izany ao anatin'ny famintinana ara-teolojia ataony ao amin'ny Ezek. 36:26, 27. Andriamanitra irery no mahay manao famindrana fo, esoriny ny fo vatontsika ka soloany fo nofo izay mety andairan'ny fihetsehampo. Araka ny nampahatsiahivin'i Josoa ny mpihaino azy hoe: "Tsy mahay manompo an'i Jehôvah hianareo." - Jos. 24:19.

Azontsika atao ny mandray fanapahan-kevitra hanara-dia an'i Jehôvah , izany no anjara asantsika. Tsy maintsy manao safidy isika, safidy ny hilefitra tanteraka Aminy isan'ora isa-minitra. Tsy ananantsika mantsy na dia ny hery hoenti-manatanteraka ny safidintsika hanompo Azy araka ny nahim-po aza. Rehefa atolotsika an'Andriamanitra kosa ny fahalementsika, dia hampahery antsika Izy. Hoy i Paoly: "fa ny fahalemeko no fahatanjahako." - 2 Kôr. 12:10.

Mariho ny "Izaho" ambaran'Andriamanitra ao amin'ny Ezek. 36:24-30: Andriamanitra no manangona, manadio, manaisotra, manome, manisy ary manetsika ny fonao mba hitandrina tsara ny Lalány. Izay ataony no hataonao. Iray aminao Izy, ary raha miray Aminy ianao, dia hanao araka izay ataony koa. Ho velona ary ho feno hery sy aina ny firaisanao amin'Andriamanitra.

Mbola ny asa izay ataon'Andriamanitra hatrany no ifantohan'izao andalan-tSoratra Masina izao. Hoy ny Baiboly: "Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalako sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. Ezek. 36:27. Mandidy ny olona hankato Andriamanitra ary manome azy ireo hery hoenti-mankatò. Ampiany ny vahoakany hanatanteraka ny fitakiany aminy. Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny fankatoavana (fa tsy asa tontosa na vitantsika fotsiny), tahaka ny maha-fanomezana avy Aminy koa ny fanamarinana sy ny famonjena (Fil. 2:13).

Raha efa nampanantenaina antsika ny hery hoenti-mankatò, nahoana isika no mbola mora lavo ao anatin'ny fahotana ihany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal