Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: NY FITSIPIKA MIFEHY NY ADY - Fetra sy fanapahana.

Daty
Alakamisy 06 March 2025

Fifanandrinana mahakasika ny toetran'Andriamanitra no ivon'ny ady lehibe eo amin'ny tsara sy ny ratsy. Ny fiampangana lainga ataon'ny devoly ho fanoherana ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny fahamarinany ary ny fitondram- panjakany no anton'izany. Karazana raharaham-pitsarana mahafaoka an'izao rehetra izao izany.

Tsy ampy hamahana ny olan'ny fifanandrinana tahaka izany ny fahefana tsotra fa mitaky asa sy fanaporofoan-javatra izany.

Raha misy fiampangana mavesatra mikasika ny manam-pahefana anankiray, dia ny fanaovana fanadihadiana malalaka sy ara-drariny ary mangarahara no fomba tsara indrindra (ary azo heverina ho hany fomba mety) handavana izany fiampangana izany. Raha mandrahona ny fitondram-panjakana (fitondram- panjakan'ny fitiavana) iray manontolo ireo fiampangana ireo, dia tsy azo afenimpenina fotsiny izany tsy akory.

Inona moa no hevitr'izany ho an'ny fahatakarana ny fifanandrinana lehibe sy ny famahana ny olan'ny faharatsiana? Raha mampanantena zavatra Andriamanitra, moa ve Izy hivadika amin'izany teny fikasany izany? Mazava loatra fa tsia. Manaja ireo fitsipika mifehy ny ady Andriamanitra ka mbola voafetra ny asany (ara-môraly). Noho izany, ny faharatsiana sasany dia ao anatin'ny sehatry ny fanjakan'ny haizina izay voafetra.

Vakio ny Mar. 6:5 sy ny Mar. 9:29. Inona no asehon'ireo toko sy andininy ireo momba ny fifandraisan'ny asan'Andriamanitra tanteraka amin'ny vavaka ataontsika sy ny finoantsika?

Ao anatin'ireo fitantarana roa ireo, dia toa misy fetra na fitsipika mifehy ny ady mipetraka, izay mifandraika amin-javatra toy ny finoana sy ny fivavahana. Mahita porofo marobe isika any amin'ny andalanteny hafa, izay maneho fa manova zavatra eto amin'ity tontolo ity ny vavaka. Manokatra lalana ho an'ny fiasan Andriamanitra izay tsy ho niseho tamin'ny fomba hafa izany. Aoka anefa isika tsy ho diso ka hihevitra fa ny finoana sy ny vavaka ihany no mahatonga izany. Azo inoana fa misy zavatra hafa koa izay tsy fantatsika nefa mahatonga izany.

Tsy manipaka ny zavatra efa hitantsika teo aloha mikasika ny fitsipika mifehy ny ady izany.

Vakio ny Rom. 8:18 sy ny Apôk . 21:3,4. Ahoana no anomezan'ireo andalan-Soratra Masina ireo toky anao fa na dia maro aza ny zavatra tsy fantatsika, dia mahazo matoky isika fa fantatr'Andriamanitra ny mahasoa indrindra, ary izany no iriny, ka hofoanany tsy hisy intsony ny faharatsiana mba hidirantsika ao amin'ny fahasambarana mandrakizay?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal