Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: NY FITSIPIKA MIFEHY NY ADY - Fetra sy fanapahana.

Daty
Alakamisy 06 March 2025

Fifanandrinana mahakasika ny toetran'Andriamanitra no ivon'ny ady lehibe eo amin'ny tsara sy ny ratsy. Ny fiampangana lainga ataon'ny devoly ho fanoherana ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny fahamarinany ary ny fitondram- panjakany no anton'izany. Karazana raharaham-pitsarana mahafaoka an'izao rehetra izao izany.

Tsy ampy hamahana ny olan'ny fifanandrinana tahaka izany ny fahefana tsotra fa mitaky asa sy fanaporofoan-javatra izany.

Raha misy fiampangana mavesatra mikasika ny manam-pahefana anankiray, dia ny fanaovana fanadihadiana malalaka sy ara-drariny ary mangarahara no fomba tsara indrindra (ary azo heverina ho hany fomba mety) handavana izany fiampangana izany. Raha mandrahona ny fitondram-panjakana (fitondram- panjakan'ny fitiavana) iray manontolo ireo fiampangana ireo, dia tsy azo afenimpenina fotsiny izany tsy akory.

Inona moa no hevitr'izany ho an'ny fahatakarana ny fifanandrinana lehibe sy ny famahana ny olan'ny faharatsiana? Raha mampanantena zavatra Andriamanitra, moa ve Izy hivadika amin'izany teny fikasany izany? Mazava loatra fa tsia. Manaja ireo fitsipika mifehy ny ady Andriamanitra ka mbola voafetra ny asany (ara-môraly). Noho izany, ny faharatsiana sasany dia ao anatin'ny sehatry ny fanjakan'ny haizina izay voafetra.

Vakio ny Mar. 6:5 sy ny Mar. 9:29. Inona no asehon'ireo toko sy andininy ireo momba ny fifandraisan'ny asan'Andriamanitra tanteraka amin'ny vavaka ataontsika sy ny finoantsika?

Ao anatin'ireo fitantarana roa ireo, dia toa misy fetra na fitsipika mifehy ny ady mipetraka, izay mifandraika amin-javatra toy ny finoana sy ny fivavahana. Mahita porofo marobe isika any amin'ny andalanteny hafa, izay maneho fa manova zavatra eto amin'ity tontolo ity ny vavaka. Manokatra lalana ho an'ny fiasan Andriamanitra izay tsy ho niseho tamin'ny fomba hafa izany. Aoka anefa isika tsy ho diso ka hihevitra fa ny finoana sy ny vavaka ihany no mahatonga izany. Azo inoana fa misy zavatra hafa koa izay tsy fantatsika nefa mahatonga izany.

Tsy manipaka ny zavatra efa hitantsika teo aloha mikasika ny fitsipika mifehy ny ady izany.

Vakio ny Rom. 8:18 sy ny Apôk . 21:3,4. Ahoana no anomezan'ireo andalan-Soratra Masina ireo toky anao fa na dia maro aza ny zavatra tsy fantatsika, dia mahazo matoky isika fa fantatr'Andriamanitra ny mahasoa indrindra, ary izany no iriny, ka hofoanany tsy hisy intsony ny faharatsiana mba hidirantsika ao amin'ny fahasambarana mandrakizay?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny
Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal