Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: NY FITSIPIKA MIFEHY NY ADY - Ilay andrianan’izao tontolo izao (mandritra ny fotoana voafetra).

Daty
Alarobia 05 March 2025

Efa hitantsika tao amin'ireo lesona teo aloha fa ao anatin'ny fifanandrinana lehibe dia omena fahefana hoenti-manapaka an'izao tontolo izao mandritra ny fotoana voafetra i Satana sy ireo mpiara-dia aminy, voafetra araka ireo fitsipika mifehy ny ady izany fanapahana izany.

Tsy ny asa azon'ny fahavalo (ny devoly sy ireo mpiara-dia aminy) atao ihany no feran ireo fitsipika mifehy ny ady ireo fa ferany koa ny asan'Andriamanitra ho fanafoanana na fampihenana ny faharatsiana izay miseho (mandritra ny fotoana voafetra) mandritra ny fanapahan'ny fahavalo. Koa satria tsy mba mivadika amin'ny teny fikasany Andriamanitra, dia noferany ny asa hataony amin'ny hoavy (nefa tsy nampihena ny fahefany izany tsy akory); nekeny tamin'izany ireo fitsipika mifehy ny ady ka nahatonga ny devoly hahazo fanapahana voafetra mandritra ny fe-potoana voafaritra izany.

Vakio ny Jao. 12:31; Jao. 14:30; Jao. 16:11; 2 Kôr. 4:4 ary ny Lio. 4:6. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo mikasika ny fanapahan'ilay fahavalo eto amin'izao tontolo izao?

Maneho fifandonan'ny fanjakana roa ny Testamenta Vaovao, ny fanjakan'ny mazava sy ny fanjakan'ny haizina, ary ny fanjakan'ny haizina dia avy amin'i Satana sy ny fikomiany. Ao anatin'ny iraka nampanaovina an'i Kristy ny handresy ny fanjakan'i Satana: "Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly." - 1 Jao. 3:8.

Misy anefa ny "fitsipika" izay mametra ny zavatra azon'Andriamanitra atao na dia mitoetra ho marina eo anatrehan'ireo fitsipiky ny fitondram-panjakany aza Izy. Farafahakeliny dia ireto no hita ao anatin'izany fefy tsy azo ihoarana izany: (1) ny fanomezana safidy malalaka ny voary ary (2) ny fitsipika mifehy ny ady araka ny fanekena, izay tsy ampahafantarina antsika, farafahakeliny amin'izao fotoana izao. Misy fiantraikany eo amin'ny fahafahan'Andriamanitra mampihena sy/na manafoana avy hatrany ny faharatsiana eto an-tany izany fanakanana na famerana ny fiasan'Andriamanitra izany. Noho izany, dia mbola hitantsika hatrany ny faharatsiana sy ny fahoriana, izay mahatonga ny olona maro hisalasala ny amin'ny fisian'Andriamanitra sy ny fahatsarany. Rehefa takatsika anefa ny fototry ny fifanandrinana lehibe, sy ireo fetra napetrak'Andriamanitra mikasika izay ataony eo anatrehan'ny faharatsiana, dia ho takatsika bebe kokoa ny anton'ny toe-javatra mitranga - farafahakeliny mandra-pahatonga ny fandresena farany izay handresen'Andriamanitra ny ratsy.

Manampy antsika hahatakatra momba ny faharatsiana izay misy eto an-tany ankehitriny ny fiantsoan'i Jesôsy an'l Satana hoe "andrianan" ‘ izao tontolo izao; amin'ny fomba ahoana? Mampahery tokoa ny fahafantarana fa mandritra ny fotoana voafetra ihany izany fanapahana Izany!

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana
Sun 09 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny fanekena aloha.
Mon 10 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny Paska.
Tue 11 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Thu 13 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Maniry fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra.
Fri 14 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny
Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal